Contact Information
SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
- 02 Dec 2024
- Samis Fréquence
- ESIC TV
- Itaro
- Esic Event
- Sah'Miova
Fomba fanao sy mariky ny hatsarana ny fanaovana ny masonjoany amin’ny tarehy. Mampiavaka ny vehivavy any amin’ny faritra Atsimo, Andrefana ary Avaratra ihany koa.
Miavaka amin’ny fomba fanao ny vehivavy amin’iny faritra Andrefan’i Madagasikara iny.
Manana fahazarana manosotra Masojoany avokoa ny ankamaroan’izy ireo, izay maneho tokoa ny hatsaran’ ny vehivavy Malagasy. Manome loko mavo rehefa hosorana izy. Indraindray hosorana asiana haingony, indraindray hosorana feno amin’ny tarehy fotsiny ihany.
Anarana “makiazy” ny hoe Masonjoany sy ny hazo hanaovana azy. Io hazo io izay hazo manasitra, ampiasaina amin’ny “aromatherapy”, “menaka manitra” ary “fandrafetana”. Mahery ny fofony ary mety voatahiry aman-taonany maro. Hita eny amin’ny tempoly indianina koa. Tamin’ny alalan’ireo karana ny nahitan’ny Malagasy ny fomba fampiasana azy. Any Inde, mbola ampiasaina betsaka ho emboka manitra izy io.
Ny antony anosorana azy
Azo lazaina izany fa avy any Inde ny fiavian’io hazo io ary tafiditra teto Madagasikara, ka nizatra teto an-toerana. Ny Masonjoany izay tena ilaina, indridra amin’ny tanàna amorontsiraky ny Nosy, izany hoe: ny any amin’ny faritra Avaratra, Andrefana ary Atsimo iny. Ampiasain’izy ireo amin’ny andavandro ny Masonjoany, na ihany koa mandritra ny lanonana sy ny fety maro samihafa. Efa lamaody hatramin’izay ka hatramin’izao ny fanosorana azy io. Ny Masonjoany, miaro amin’ny taratra UV, ny herin’ny masoandro. Marihina fa mafana dia mafana amin’ireo faritra ireo, ary mandava-taona izany. Tsy izay irery ihany, fa miasa amin’ny pentina amin’ny tarehy izy, ny akne, poizina ary ketrona Hita eny amin’ny mpivarotra manerana ny Nosy izy ankehitriny. Mety ho vovony, misy ihany koa tapa-kazo, ronono fanadiovana, savony ary fanosotra.
Tolotra N