Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Nampiavaka ny fomba fanabeazana taloha, ny fampitàna fahalalana tamin’ny alalan’ny lovan-tsofina, ny lahabolana, ary ny tantara noforonina. Anisan’ny fitaovam-panabeazana nalaza tamin’izany ny angano sy ny ankamantatra. Tsy nisy sekoly taloha ka nobeazina tamin’ny alalan’ny fampiasana saina miendrika korana ny ankizy. Tamin’ny andron’ny faha-mpanjaka, fanaon’ny Ntaolo ny mampivory ny ankizy rehefa takariva diavolana. Namorona ankamantatra isan-karazany ny ankizy, toy ny hoe: «Inona ary izany: hohano aho hihinanako anao, valiny: sakay». Nangonona misionera Norvezianina avokoa ny anganon’ny Ntaolo nahaliana azy, ka narafiny tao anaty boky iray. Mirakitra fananarana maro ny angano, nanararaotra nampita fahalalana tamin’ny alalany ny Zokiolona. Sombitsombin’ny boky noraketin’ilay vahiny ny : «Aza mba mivadika ny marina», sy ny «An’ny tena no azo antenaina». Anavahana ny angano amin’ny tantara foronina tsotra ny fiatombohany amin’ny hoe: «Indray andro, hono, …», sy ny fiafarany amin’ny hoe: «Angano, angano, arira, arira».

Sarah

FANORONA : Jeu de société traditionnel typiquement malagasy

MASKA MALAGASY : Mitondra voka-tsoa ny fanosorana ny Masonjoany