Contact Information
SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
- 02 Dec 2024
- Samis Fréquence
- ESIC TV
- Itaro
- Esic Event
- Sah'Miova
LMivohy kolontsaina maro samihafa ny faritra avaratry ny Nosy. Anisan’izany ny fisehagna sy ny tromba.
Iray amin’ny fomban-drazan’ny Antakarana ny hoe « Fisehagna », izay midika hoe fandroana. Tanterahin’ireo olona misy tromba ny lanonana, mandritra ny roa andro. Atao any ampasinantegniny Mevarano Ambilobe ny fisehagna izany. Araka ny tantara, novonoina teo amin’io toerana io ny razambe’ny Antakarana nandritra ny ady natao tamin’ny foko Merina. Manatona io toerana io avokoa ny Antakarana, manaraka ny fomban-drazana. Atao isaky ny volana Sakamasy izany. Fomba iray ny « Fisehagna » hanaovana fangatam-pitahiana amin’ny razana, ary angatahana fahasalamana ihany koa. Mitarika izany ny mpanjaka mitondra ny faritra Antakarana, i Issa Tsimiaro II. Misy fady maro tandrovana rehefa tonga any an-toerana. Anisan’izany : manao firaisana ara-nofo sy ny manao maloto. Tsy maintsy manao kitamby ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa tonga eo an-toerana. Tsy maintsy mirandrana ny vehivavy ary tsy mifatotra volo. Amin’ny andron’ny « fisehagna », tsenaina amin’ny fomba manetriketrika ny manjaka amin’ny alalan’ny hira sy rombo. Mikabary ny solon-tenan’ny mpanotrona rehefa tonga ny mpanjaka. Manao dia be miaraka amin’ny mpanjaka avy eo ny olon-drehetra. Resahana ao anatin’ity fombafomba ity ihany koa ny « tromba » : manontany ny anarany, ny antony nahatongavany amin’io fotoana io. Rehefa avy eo miditra amin’ny dihy antsoina hoe « trotrobe » izy ireo. Aorian’izay manana ny fomba hafa antsoina hoe « Tsangatsaigna » koa ny Antakarana. Ny atao amin’izany : miodidina ny hazo ananganan-tsaina ny vahoaka, hazo lava be manodidina ny fito metatra eo. Vita iny dingana iray iny, hatsangana ilay hazo. Rehefa tafatsangana izy, mianika any amin’ny farany ambon’ilay hazo ilay lehilahy. Antony, mametaka ny fitoerana ny saim-pirenena Malagasy sy ny sainan’ny fomba Malagasy, miloko mena ranoray io. Omena vola ilay jaolahy rehefa tafidina ary omena vola avy eo. Apoaka ny basy ary mandritra izany anefa miodidina io andry tokana io ny mapanjaka sady lanjaina izy.
Ny atao hoe tromba
Maro ny foko eto Madagasikara manandratra ny hoe « tromba ». Saingy tsy mitovy ny fomba hanatanterahana azy. Raha ny atao hoe « tromba », fomba fiantsoana ireo razan’Andriana na mpanjaka efa nodimandry mba hitoetra ao amin’ny olombelona. Mijanona ao amin’ny olona io fanahy io, arakaraka ny zavatra ilainy azy. Amin’ny foko Antakarana, manan-danja io fomba io. Antony mahatonga ny Antakarana manankalaza azy manokana. Faritra Ambilobe ihany koa ny anatanterahana azy. Marihana fa renivohitry ny kolontsain’ny faritra Diana sy Sava na amin’ny foko Antakarana ny any Ambilobe.
Tolotra.N