Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Hilalao any Alzeria mandritra ny 3 taona sy tapany

Anisany mpilalao mamiratra i Koloina tamin’ity CHAN ity. Nambabo ny klioba iray any Alzeria ny filalaony. Malagasy fahefatra hilalao amin’io ekipa io izy, ary hilalao mandritra ny fotoana lavalava any an-toerana.

Mbola tsy tapitra ny fiadiana ny tompondakan’ny Afrika (Championnat d’Afrique Nation (CHAN)), novidian’ny Mouloudia Club d’Alger i Koloina Razafindranaivo. Tsy niandry ity klioba ity fa nanasonia ny fifanarahana avy hatrany. Natao ny ampitson’ny lalao ampahefa-dalana, nifandonan’i Madagasikara sy Mozambika, ny 30 janoary 2023, lasa teo, ny fanovan-tsonia. Nosoniavina tamin’izany ny fifanarahana hatramin’ny taona 2026, 50 000 euros ny sandan’ny fifindrana. Rehefa mahavita ny lalao rehetra hatrehan’ny Barea izy vao hihazo an’ny Mouloudia Club d’Alger.
Namono baolina telo i Koloina Razafindranaivo ary nahavita nanome tolotra roa. Izany hoe misy dian-tongony Koloina ny baolina dimy tamin’ireo valo nampidirin’ny Barea. Tena nampiavaka azy ireo baolina roa matiny izay samy mihoatra ny 15 metatra avokoa, Tsara fipetraka ny dakany ka sarotra ho an’ny mpiandry haraton’ny mpifanandrina ny maka izany. Voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra tamin’ny lalao isam-bondrona izy, ary mbola nitohy ny seho nataony nandritry ny lalao ampahefa-dalana.
Tsy amin’ny ekipam-pirenena ihany, fa tamin’izy mbola tao amin’ny Centre de Formation de Football Andoharanofotsy (CFFA-Andoharanofotsy), dia nefa hita taratra ny fahaizany. Ka izany no niantsoana azy handrafitra ny Barean’i Madagasikara.
Tsy vao izy ny mpilalao malagasy nilalao tao amin’io klioba alzeriana io, fa efa nandalo tao ihany koa i Ibrahim Amada, Voavy Paulin ary i Carolus Andriamahitsinoro. Mpilalao efa nametraka tantara teo amin’ny kitra malagasy tamin’ny taona 2019.
Manokatra varavarana ho an’ny mpilalao maro ny fifaninana toa ny CHAN. Samy maneho ny fahaiza-manaony daholo ireo miakatra ambony kianja.

Miravo Tsiory

Chan 2023

Basketball