Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Maro hatrany ny olona no mbola mampiasa azy. Na eo aza ny firoboroboan’ny fampiasana ny fanafody tandrefana, mbola tsy lefy laza ny Raokandro. Betsaka ihany koa no aretina sitran’ny zava-maniry iray. Tsy mandany vola noho izy mora na hita maniry eny rehetra eny no antony iray mbola hampiasana azy. Matetika evohana na sotroina na apetaka amin’ny faritra tsaboina izy.

Ny ankamaroan’ny mampiasa azy dia  any ambanivohitra avokoa. Lavitra toeram-pitsaboana ka izay tsotra sy haingana indrindra no atao. Mazana tsy manatona dokotera izy ireo raha tsy efa tena marary. Fahiny, vao 5 taona monja ny zaza dia entina any an-tsaha hampianarina ny anaran’ny zava-maniry rehetra sy ny aretina sitrany. Noho izy voajanahary tsy ahitana akora simika no antony hanjifan’ny Malagasy azy. Eo ihany koa, mihena ny mety hahatonga aretina hafa vaovao rehefa mampiasa azy.

Miisa 99% ny zava-maniry azo atao fanafody no hita eto Madagasikara. Hita eny amin’ny mpivarotra tapa-kazo izy ireny. Ankehitriny koa misy ireo efa mampiasa azy amin’ny fomba maoderina. Toy ny orinasa mpanodina ny zava-maniry ho azo ampiasaina avy hatrany. Anisany ny tobin’i Profesora Ratsimamanga izay fanta-daza amin’ ny fanodonana azy ireny.

Manam-pahendrena ny Ntaolo malagasy ary mahalala fa mifanaraka amin’ny endriky ny zava-maniry iray ny aretina sitrany. Na eo aza ny firoboroboan’ny fanafody tandrefana dia mbola tsy omena mitahy ihany koa ny Malagasy mampiasa ny Raokandro.

Letichya H.

FITAMPOHO: Fomba malagasy mampiavaka ny Sakalava Menabe

Aloe vera : Multiples bienfaits