Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Manatanteraka io lanonana io isaky ny 5 taona ny foko Sakalava, raha isaky ny 10 taona izany no tanterahina teo aloha. Fomban-drazan’ny foko Sakalava nanomboka tamin’ny taona 1904 ny Fitampoho. Niova ho isaky ny 5 taona izany teo amin’ny taona 1988. Ary tamin’ny taona 2020 no nisy ny Fitampoho farany. Maharitra 7 andro ny lanonana amin’izany.

Ny efatra andro voalohany, lanonana miravaka dihy sy hira nentim-paharazana malalagasy, sakafo laoka hen’omby, toaka gasy no entina hanomezana fahafaham-po ny mpiray foko. Amin’ny andro fahadimy sy fahenina no fotoana hitondrana ny taolam-balon’ireo Mpanjaka na ny Dady, hodiovina eny amin’ny reniranon’i Tsiribihina. Amin’ny andro farany kosa no fanamainana sy fanosorana menaka ireo taolam-balo avy nosasana.

Tanterahina any amin’ny reniranon’i Tsiribihina, andrefan’i Madagasikara, afovoany andrefan’ny faritra Menabe ny lanonana. Azo lazaina, noho izany, fa toerana masina ny toerana hanaovana izany, hanasana ny reliky ny mpanjaka, ao anaty renirano amin’ny fomba manokana. Amin’ny fahavitan’ny Fitampoho dia averina ao amn’ny Zomba ny taolam-balo rehetra, toerana misy ny taolam-balon’ny Mpanjaka, ao afovoan-tananan’ny Belo.

Manomboka amin’ny fohombonan’ny olona nasaina avy amin’ny faritra Menabe sy ny mponina ao Belo -Sur-Tsiribihina ny lanonana. Araka izany, io lanonana lehibe io dia midika ho fanomezam-boninahitra ny foko ary indrindra ny fomba malagasy.

Ny Antso

THE VOICE ANDIANY FAHA-10 : MISEHO AMIN’NY ENDRIKA VAOVAO NY LALAO FAMARANANA

Mbola mitana ny lanjany ny fampiasana Raokandro