Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Nofaranana tamin’ny lalao famarana ny « The Voice » andiany faha-10, tao Frantsa, ny sabotsy 15 mey 2021 lasa teo. Nandeha nivantana tamin’ny fahitalavitra TF1 izany. Nivoaka mpandresy i Margherita Davico, fantatry ny maro amin’ny hoe Marghe, teo ambany elatr’i Florent Pagny. Tovovavy 22 taona, teraka teto Madagasikara ary monina any Poitiers, Frantsa izy. Maro ny zava-baovao hita tao anatin’ny lalao tamin’ity taona ity.

Niova ny endriky ny lalao. Efatra no mpifaninana tafiakatra tamin’ny lalao famaranana. Raha efa ny mpijery no nifidy rehefa famaranana hatramin’izay, dia mbola nitohy izany tamin’ity andiany faha-10 ity. Saingy nihintsana teny anelanelan’ny lanonana ny mpifaninana roa. Ary ny roa ambiny indray no nanohy ny fifaninana, ka i Jim Bauer sy Margherita Davico izany.

Voalohany tamin’ny tantaran’ny « The Voice » ny nihiran’izy mianadahy tafiakatra farany, ny hira noforoniny manokana. Nataon’i Marghe tamin’izany ny hirany, mitondra ny lohateny hoe « Forget Everything ». « Tamin’ny 3 na 4 ora maraina tany ho any, nifoha aho, ary noterem-panahy hanoratra io hira io », hoy izy. Mitondra ny lohateny hoe « Crossroad » kosa no hira nataon’i Jim Bauer.

Mpitsara sy mpitarika ny mpilalao vaovao tamin’ity andiany faha-10 ity ihany koa i Vianney. Niaraka taminy i Amel Bent, Marc Lavoine, ary i Florent Pagny izay efa mpitsara sy mpitarika teo aloha. Nandray anjara tamin’ny lanonana ihany koa ny Kendji Girac, mpandresy tamin’ny « The Voice » andiany faha-3. Tao ihany koa i Abi Bernadoth, mpandresy tamin’ny andiany faha-9 tamin’ny taona 2020. Tsy mitsahatra mivoatra ny lalao hatramin’ny niantombohany ny  taona 2011. Mety hisy zava-baovao hafa indray, araka izany, amin’ny andiany faha-11 ho avy, ny taona 2022.

Rova Christelle

FANORONA: Fitaizana ny ankizy ho an’ny Malagasy fahiny

FITAMPOHO: Fomba malagasy mampiavaka ny Sakalava Menabe