Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Rakotobe Mialitiana Marie Agnès no anarany. 20 taona izy, mianatra ao amin’ny Sekoly Ambony Momba ny Ita sy ny Serasera (SAMIS), U-magis Saint Michel Amparibe. Ao amin’ny taona fahatelo izy amin’izao fotoana. Efa talenta tao anaty fa tsy nianatra nanao sary akory izy. Niezaka ny nampiana-tena tamin’ny anterineto ary niezaka ny namerina ny fomba fanaovana izany izy. Efa fombany ny manolotra karatra kely manokana ho an’ny reniny rehefa misy fotoana miavaka. Tsy nijanona tamin’ny fanaovana sary fotsiny anefa izy. Nanjary nihitatra hatramin’ny fanaovana hosodoko ihany koa.

Araka izany, tany amin’ny taona faharoa no nieritreritra ny mba hitady vola kely i Mialy. « Amin’izao vanim-potoana izao efa sarotra ny fiainana dia navadiko fidiram-bola ity asa kely ity », hoy hatrany izy. Resy lahatra fa hampiasa ny talentany i Mialy. Nomeny anarana ny orinasa keliny, antsoina hoe : « One Soul.mg ». Natombony tamin’ny fanamboarana karatra kely manokana, entina hirarian-tsoa izany. Manaraka, ny fanaovana sary sy fanehoana sary manokana hatao fanomezana. Nanomboka nanitatra ny fahaizany izy. Nieritreritra ny hanao sary sy hosodoko amin’ny ambonin’akanjo. Tsy nijanona tamin’izay ihany, nanao hosodoko sy sary tamin’ny satroka sy akanjo bà izy. Nanampy azy hatrany tamin’ny fifidianana fitaovana, entiny manatanteraka ny asany. Anisany nanohana azy teo ihany koa ny olo-tiany. Hatreto, mbola ao amin’ny tambazotran-tserasera no sehatra hivarotany ny entana. Mieritreritra ny hanangana fivarotana ho azy manokana i Mialy rehefa any aoriana any.

Nehemia

CAREME 2022 : Le jeûne des mauvaises habitudes