Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Miora Andrianarison, na Vorombola
Milamina no totem ahafantaran’ny skoto
azy. Voafidy ho filoha nasionalin’ny
mpanazava eto Madagasikara izy ny
volana Septambra 2021. 28 taona izay no
nanaovan’i Miora Andrianarison skoto.
Nobeazina tao anatin’ny fianakaviana
kristiana sy teo anivon’ny fikambanana
mpanazava eto Madagasikara fony izy
kely ka mandrak’ankehitriny. Manambady
izy ary manan-janaka iray. Tamin’ny
taona 1993, nanomboka nanao skoto izy.
Nandalo ny sampana mavo, sampana
maintso sampana mena. Taorian’izay,
niandraikitra voronkely ary lasa ekipa
nandrafitra ny filoha Analamanga
Andrefana, nandritran’ ny 5 taona izy. Ny
taona 2010 no nandraisany ny andraikitra
maha Filoham-paritany Analamanga
Andrefana azy, nandritra ny 4 taona. Lasa
filoha foibe izy ny taona 2014, fe-potoana
voalohany naha filoha foibe azy,izy no
tonian’ny vondron’ny mpampiofana sy
niandraikitra ny « Comité jeune ». Ny fe-
potoana manaraka izay, naharitra 3 taona
no niandraiketany ny deparitemanta ny
fifandraisana. Fiofanana maro no efa
natrehany. Anisan’izany ny fahaiza-
mitarika sy hai-tarika natao tany Suisse
ny 2008. Hanana tontolo tsaratsara
kokoa sy hivoatra hatrany no vinan’i
Miora eo amin’ny tontolo misy azy.
Izany hoe, na eo anivon’ny ankohonany,
ny fanabeazana skoto ary ny firenena.

Mendrika & Nandrianina

CAREME 2022 : Le jeûne des mauvaises habitudes