Renivohitr’i Marovatana Ambohidratrimo. Araka ny tantara, Imananety no anarana niantsoana azy tamin’ny andron’ny mpanjaka Andriamasonavalona, sy ny zanany Andriantomponimerina. Niteraka Andriantomponimerina ka nataony anaran-janany ny hoe Andriatrimobemihisatra na Ratrimo. Noho ny nindaosin’ny fahafatesana ny rain-dRatrimo, nanana fahefana hifehy ny tanàna izy. Nanomboka teo no niforona ny anarana hoe Ambohidratrimo. Teo ireo disadisa teo anivon’ny fitantanana ny Rova, nisy ny ady teo amin-dRatrima sy Andrianampoinimerina, resy sy nivarahontsana ireo miaramilan’Andrianampoinimerina manoloana an’ireo an’i Ratrima. Nibata ny amboara ihany i Andrianampoinimerina. Nanambady ny zanan-dRambolamasoandro izy, izay vadiny voalohany sy renin-janany mpandova azy, antsoina hoe Radama. Izay no nahazoany ity amboara ity.
« Anisan’ireo Rova telo lehibe eto Antananarivo ny Rova Ambohidratrimo », hoy Rakotondrandria Gastar, filohan’ny ONG Ecodev sy nandray anjara tamin’ny fanavaozana ny Rova. « Harenan’izao tontolo izao io Rova io, mpiray aina tsy afa-miala amin’ny Rova Manjakamiadana sy ny Rovan’Ambohimanga », hoy hatrany ny fanazavana fanampiny.
R.F.Sarah