7 kilometatra raha miala avy eo Talata Volonondry, distrikan’i Manjakandriana, faritanin’Antananarivo. Voahodidina hadivory i Ambohitrolomahitsy. Roa mifamaly ny vavahady fidirana ny tanàna, ny any atsinanana manatrika an’Ambohibemasoandro, ny eo andrefana mitodika amin’Ambohitrerana.
Zafindravoromanga
Anisany vady tian’ny mpanjaka Ralambo indrindra i Rafotsimarompaniry. Anarana fiangotian’ny Mpanjaka Ralambo azy ny hoe Ravoromanga. Andrianambizato, Andriambazaha ary Andriatsimitakona, no zanak’izy ireo. Tsy nomen’ny Mpanjaka Ralambo zaratany tao Ambohitrabiby anefa ireo zanany telo lahy ireo. Tao Ambohitrerana kosa no nametrahina azy. Nantsoina hoe Zafindravoromanga kosa ny taranak’izy telo lahy. Nifindra tao Ambohitraina ny zanadravoromanga noho ny fifanolanana nisy tamin’ny Zanakandrianato. Noho ny fahitan’Andrianampoinimerina (1787-1810) ny fahatsoran’ny olona tao amin’ny vohitra kosa no nanomezany anarana hoe « Ambohitrolomahitsy ».
Loharano tsy ritra
Ambahia, loharano tena madio fatsakan’Ambohitrolomahitsy. Andrianampoinimerina no nanome ny anarana, avy amin’ny hoe Vahia. Karazan-java-maniry amoron’ala, tsipelana, mamelana sady manitra ny Vahia. Amin’ny toerana misy rano tena madio vao velona ny vahia. Niavian’ny fantsakana hoe Ambahia izany, noho ny fahitan’Andrianampoinimerina Vahia teny amin’ny loharano.