Anisany toerana manan-tantara i Mananjara. Tamin’ny vanim-potoana faha-mpanjaka, Ambohimirimo no niantsoana ity toerana taty aoriana kosa, nivadika ho Mananjara. Tamin’ny taona 1791, nanjakan’ny mpanjaka Andrianampoinimerina, no nahafantarana ilay tanàna.
Araka ny tantara, nonenana sy nanjakan’ny zanaka mpanjaka mirahalahy ny tao Ambohimirimo, Andriandambofontany sy Andrianakisa izany. Taorian’ny fitondran-dRaonimbatomandimby izay rain’izy mirahalahy, natolotra ho an’ny Andriandambofontany, lahimatoa ny fanjakana.
Taty aoriana, nomen’ny mpanjakavavy Ranavalona I hoan-dRamboasalamana sy Ratasilahy ary Ramoma sy ny taranany Ambohimiriomo ary mbola hanafenana ny taranak’izy ireo mandrak’ankehitriny. Mitahiry ireo vakoka sy harena maro toy ny fasan’andriana, ireo hazon’andriana maro toy ny amontana sy aviavy ary hasina, fanorona voasikotra amin’ny vato, doany, farihy, adivory, zava-maniry maro fanao fanafody izay tsy hita raha tsy ao. Nisy lapa tao tamin’izany, ary noravaina izany ny 1899, noho ny fandrosoana.
Mia Stephe