Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Fomba malagasy anisan’ny tsara ho
fantatra ny fanambadiana zaza kambana, tsy mitovy
fananahana. Ala fadin’ny mpianadahy kambana
no tena fiantso azy. Foko maro teto Madagasikara
no nampihatra izany fahiny. Araka ny finoan’ny
Malagasy, iray aina tanteraka ny mpianadahy
kambana, ka noheverina ho sarintsarim-pivady,
ka tsara atao alam-pady mialohan’ny hanaovana
hasoavana ny lahy kely. Araka ny fanazavan’ireo
mpisehatra eo amin’ny tantara malagasy ihany
koa, « zaza kambana mianadahy no atao
mariazy mba ho ala fady noho ny fitovian’izy
ireo kanefa mpianadahy. Mba ho fanasarahana
azy mianadahy noho ny fifampikasohana nisy
tao an-kibo sy ny tsy hisian’ny alahelo eo
amin’izy roa rehefa mifanalavin-toerana ».
Fahiny, misary toy ny fanambadiana kely mihitsy
ny fomba, ka mamory ny havana aman-tsakaiza
sy ny fiaraha-monina ny Ray aman-dRenin’ny
zaza. Ampitafiana ankanjo tsara toy ireny
amin’ny fanambadiana ireny ny zaza roa, ary
hananganana trano kely vita amin’ny bozaka.
Trano kely izay taratrin’ny kibo niarahana nifono,
ka entina miditra ao izy ireo mba ho variana, ka
ny mpanala fady no manomboka ny fandorana
ny trano kely. miorakoraka ny Ray aman-dreny
sy mpanotrona rehefa manomboka miakatra ny
afo, miantso azy mianadahy hivoaka faingana.
Ankehitriny, vitsy amin’ny Malagasy no manao
io fomba io, araka ny nambaran’i Fleurette,
mpampianatra Malagasy. Toy ny firenena
rehetra, manana ny fomba mampiavaka azy
ihany koa i Madagasikara, saingy manomboka
very na adino tsikelikely anefa izany.

Fosibelson Andréa

CAREME 2022 : Le jeûne des mauvaises habitudes