Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Fomba anisany mampiavaka ny foko Antakarana

Mampiavaka ny foko Antakarana ny
TSANGATSAINA, fomba ankalazaina
isaky ny 5 taona. Tanterahina amin’ny
alalan’ny lanonana makotrokotroka, any
Ambatoharanana, distrikan’ny Ambilobe,
ity fomba ity. Manao kisaly na kitamby ny
olon-drehetra na lehilahy aza. Tsy maintsy
mirandrana ny vehivavy fa tsy afatotra ny
volo. Mandritra ny lanonana, misy fotoana
atokana hiresahana amin’ny Tromba.
Ny atao amin’izany ohatra, manontany
ny anaran’ilay Tromba, na koa hoe
manontany ny antony nahatongavany.
Ampanarahana rebiky, ny firesahana
amin’ny Tromba avy eo. Rebiky, dihy ny
razamben’ny Sakalava, fahatsiarovana
ny adin’ny mpirahalahy teo amin’ireo
foko roa tany avaratr’i Madagasikara.
Izany hoe ady teo amin’ny Sakalava
sy Antakarana. Rehefa tapitra ny
fandihizana, miroso amin’ny dingana
manaraka ny mpanao lanonana.

Shakii Rah

CAREME 2022 : Le jeûne des mauvaises habitudes