Mitoetra 13 kilometatra miala ny Renivohitran’Antananarivo i Merimanjaka. Hita ao amin’ny kaominina Ambohijanaka io tanàna io. Tafiditra ao anatin’ny tendrombohitra 12 masina i Merimanjaka. Niforona izany tendrombohitra izany tamin’ny andron-dRafohy sy Rangita. Mpanjaka vavy voalohany, teto Madagasikara. Voamarina ny maha-mpirahavavy ireo mpanjaka vavy ireo, ary nodisoana ny filazana fa mpivady izy roa. Nanjaka ny taona 1520-1540 Rangita. Nodimbiasan-dRafohy izy rehefa maty.
Rafohy sy Rangita
Hita mandrak’ankehitriny, ao Merimanjaka, ny trano nonenan’izy ireo sy ny fasany. Mbola ahitana ny fantsakana fangalan’ny mpanjaka tamin’izany rano ihany koa ao Merimanjaka. Napetraka hoe « Dongozy » ny anaran’io fantsakana io noho ny fisian’ny voninkazo longozy maro manodidina azy.
Dongozy
Misy trondro iray miaina ao anatin’ny rano ary tsy misy sahy mikitika noho ny fahatahorana amin’ny mety loza hahazo. Ahitana ny dia tongotry Rapeto ao Merimanjaka.