Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Niorina tamin’ny taona 1897 ny tanànan’ny Farafangana. Vita ny taona 1951 ny tranom-pokonolona sy ny dobo filomanosana voalohany. Antefasy, ny mponina voalohany tao Farafangana. Araka ny tantara, saika nihodidina an’i Madagasikara izy ireo, vao nijanona teo. Raha noheveriny fa toerana azo hipetrahana ny fanjakan’ny Rabakara, nihaona tamin’io toerana io, araka izany, ny Antefasy, ny Zafisoro, ary ny Rabakara. Avy amin’ny teny hoe «fiaingana», midika hoe fiaviana na dingana ny anaran’ny tanàna. Noho izany ny teny hoe « Farafangana» dia manana ny hevitra hoe «faran’ny lalana» na «lalana farany».

Farafangana

Betsaka ny mponina, izay nisafidy ny hitoetra amin’iny morontsiraka Atsimo Atsinanana iny. Anisan’ny nahatonga azy ho tanànan’ny mpanjono izany. Nisy ihany koa ireo izay niorim-ponenana any an’ala. Ahitana voly maro any amin’ny faritra, toy ny « tsirapay », ny « apaly » sy ny “letisy” ary ny “akondro” ,izay mampiavaka azy. Ny ranomasina efa manan-karena haza-dranomasina rahateo.

Tanànan’ny mpanjana-tany i Farafangana noho izy novolavolain’ny Frantsay nandritra ny fanjanahany. Ny kafe, izay vokatra tena notrandrahan’izy ireo. Ankehitriny, mbola voasokajy ao anatin’ny mpamokatra kafe betsaka iny faritra iny.

Tolotra.N

CAREME 2022 : Le jeûne des mauvaises habitudes