Tany am-piandohana, toerana famonoana olo-meloka Ambohipotsy. Tsy nahazo nalevin’ny fianakaviany izy ireny ka navela teo ny fatiny. Namoro-potsy teo ny taolany, ka nahatonga ny anaran’ny toerana hoe « Ambohipotsy». Tamin’ny fanjakan-dRanavalona voalohany, nenjehina avokoa ny mpino Kristianina, ka nolefonina na notapahin-doha izay tratra. Anisan’izany Kristianina izany Rasalama, martiora voalohany nolefonina tao Ambohipotsy. Voalaza fa nanorina fiangonana niafina teo Ambodivato, tao antranon-dRamanantsoa izy ireo, niaraka tamin-dRahambo, Rasalama, Rafotsibe, Ramanana, Rafarabe, Ramanantsoa.
Ambohipotsy fahiny
Ny taona 1840, nisy niampanga Rahambo sy Rasalama ka nosamborina. Ireo namany hafa kosa, nanohy ny fivavahana miafina tany Andavabato. Naharitra 26 taona ny fanenjehana ny fivavahana Kristianina (1835-1861). Nodimbiasin-dRanavalona faharoa ny mpanjaka Ranavalona voalohany rehefa niamboho. Nanomboka teo, tapa-kevitra ny mpanjaka fa hivadika ho Kristianina. Nampirisihany ny fampielezana ny filazan-tsara nataon’ny misionera Kristiana. Nodorana daholo ny sampy rehetra nivavahana taloha. Naorina ny fiangonana voalohany teo Ambohipotsy. Fiangonana vita tamin’ny zozoro izy tany am-piandohana, avy eo vao nivoatra tsikelikely ho lasa trano vato.