Tovovavy 22 taona mpanao « Slam » avy any Mahajanga i Nacha. Niditra tao amin’ny fikambanana « slamasôva Majunga » vao 15 taona monja izy. Solotenan’ny faritra Mahajanga tamin’ny lalao « Slam National SN 11 » ny taona 2019 izy.
Mitondra ny anarana hoe « Fia Ma » i Nacha ankehitriny. « Mafia » io teny raha avadika. « Manasongadina izay hananako sy ny maha izy ao anatin’ireo asa soratra izay vitako ny dikan’io solon’anarako io » raha ny nambarany. Manamarika azy tanteraka ny asa sorany « JAMALA » sy « BAD GYAL ». Tovovavy sahisahy, masiaka fiteny izy ao anatin’ny sanganasany. Tsy manoratra lahatsoratra mahakasika ny fitiavana loatra ihany ko izy. Anisan’ny tena hiavahany amin’ny mpanao « Slam » hafa izany. Efa nanoratra « Slam » maro i Nacha, ny 10 tamin’ireo no efa nasehony an-tsehatra. Nilomano tanteraka tamin’ity sehatra ity i Nacha nandritra ny 7 taona izay. Tsy niakatra kosa izy nandritry ny 2 taona noho ny fahasahiranany amin’ny fianarany. Nanoratra sy nijery « Slam » foana anefa izy na dia tsy niakatra an-tsehatra intsony aza.
« Lasa lamaody ilay Slam amin’izao fotoana izao ka izay te hanao rehetra dia manao avokoa na dia hita fa tsy mahafehy azy akory » hoy ny nambarany. Hirona kokoa any amin’ny sehatra artistika izy rehefa mahazo ny marim-pahaizana lisantsa. Tsy hijanona eo amin’ny resaka “Slam” fotsiny ihany fa hanao mozika « Rap » ihany koa.
Fahendrena Christina