Manindrahindra ny kolontsaina malagasy ny tarika Voninavoko. Fantatra tamin’ilay hira : «raozy mavokely» sy «iza ireo?». Miavaka amin’ny fandihizana sy fihirana ny dihy Vakodrazana izy ireo.Vakodrazana, vakoka mampiray sy manasongadina ny kanton’i Madagasikara. Raha ny fanazavan’i Tsilavina Jean Christian , filohan’ny tarika ankehitriny: «Misongadina amin’ny asa famoronana hira sy dihy miavaka ny Voninavoko, nanao fikarohana manerana ny foko mihitsy mba tsy hahavery ny kolontsaina Malagasy».
Mampahafantatra sy manome hasina ny kanton’ ny maha-malagasy ny Voninavoko. Efa nitety firenena maro eran’izao tontolo izao izy ireo, toy i : Korea, Eoropa,… Ary vao tonga avy any ‘’Inde’’. Anarana voninkazo dia maniry eny ankalamanjana no nampitondraina ny anaran’ny tarika. Noforonin’i RAKOTOMAVO Gabriel na i DADAGABY, tao Ampitatafika ny taona 1970 ny Voninavoko. Niisa 30 ny mpikambana tamin’izany, rafetin’ny mpitendry sy mpandihy ary mpihira.
Manodidina ny 20 kosa izy ankehitriny. Taorian’ny nahafatesan’i Dadagaby, ny zanany lahy Tsilavina Jean Christian no nandimby azy nitarika. Izay sady mpampianatra dihy no mpamorona ny hira. «Nisafidy manokana ny vakodrazana izahay noho izy vakoka tsara sy mampiavaka antsika Malagasy. Mandroso ao anatin’izao fanantontoloana izao ny firenena izay manome lanja ny kolontsaina ao aminy» hoy hatrany ny filohan’ny tarika ankehitriny.
Andry Mitia