Andriambolatiana Lahatriniaina Fanomezantsoa, tovolahy 21 taona misehatra ny hay ady na “Taekwondo”. Nanomboka niditra teo amin’ny sehatrin’ny hay ady teo amin’ny faha-13 i Fanomezantsoa. Nosafidiany manokana ny hay ady noho izy mitondra fanabeazana ara-batana sy ara-panahy ary an-tsaina. Ao amin’ny Dojo complexe Milaire Betongolo no nianatra sy nanao ny fanazaran-tenany. Niatrika fifaninana maro i Fanomezantsoa ary efa nandrombaka medaly 4 ( 2 volamena sy 2 volafotsy ). Nanosika azy nilona tao anatin’ny hay ady ny Ray aman-dreniny. Tsy tery ny fotoana hanaovana azy satria efa misy ny fandaharam-potoana natokana ho an’ny fianarana sy ny fanazaran-tenany. Tsy misy fiatraikany amin’ny fianarana ny fanaovana ny “Taekwondo” raha ny nambarany. Marihina fa efa “ceinture noir 2ème Dan” izy ankehitriny. Faniriany ny hiatrika ny lalao iraisam-pirenena sy ho lasa alavitra ao anatin’ilay hay ady. “ Mila manana nofy sy tanjona rehefa manao zavatra iray, tsy mahazo kivy, tsy ilaina ny hevitry ny hafa ary atao amin’ny fo sy am-pitiavana izay rehetra atao”, hoy izy. Azo avy amin’ny teny telo natambatra ny “Taekwondo”, ny “Tae” midika hoe fampiasana ny tongotra, ny “Kwon” fampiasana ny tanana ary ny “Do” ny fanahy. Fampiasana ny tanana sy tongotra ary fehezin’ny saina ny hay ady “Taekwondo” raha zoina.
Tsiory Cynthia