Niforona tamin’ny vanim-potoana fahagola ny hain-teny, teto Imerina. Nampiasa azy tamin’izany fotoana izany ny tanora naneho fitiavana. Tanterahina ankalamanjana ity lahateny ity, ary fotoana mety indrindra amin’izany ny folak’andro. Naka endrika lalao fifaninanana ny hain-teny. Mifanatrika ny tanora lahy sy vavy, hotronin’ny mpijery izay manao faribolana manodidina. Samy manana ny mpiandany aminy avokoa ny mpifaninana eto. Mandray ny fitenenana ny voalohany, ary manonona andininy maromaro eo. Akora fototra andrafetany izany ny ohabolana. Asiany gadona mazava tsara izay volaniny, mba hisian’ny firindran’ny teny rehetra ambarany. Mamaly manaraka azy kosa ny mpifanandrina aminy. Ambara-paha-elan’ny lalao, miha-lava sy miha-sarotra hatrany ny tonon’ny hain-teny. Mandritra izany, maneho ny heviny amin’ny alalan’ny horakoraka ny mpanatrika. Mety hanaiky na tsia izay voalazan’ny mpifaninana izy ireo. Raha mihanahana na tsy mahita havaly ny namany intsony ny iray amin’izy ireo, tapitra ny lalao. Nilana fahakingan-tsaina sy fahatakarana lalina ny fiantsana azy ity. Tamin’ny alalan’ny hain-teny, hita taratra ny fahendrena nananan’ireo tanora niangaly azy.
Taorian’ny fanjanahantany, lefy tanteraka ny filalaovana ny hain-teny. Nisy mihitsy aza ny nilaza fa manakaiky ny fetran’ny mamoafady ity lahateny iray ity. Nahazo laka tsikelikely teto Madagasikara ny poezia sy ny kolontsaina noentin’ny vahiny. Ankehitriny, efa miverina mamelo-maso ny hain-teny ny mpikabary Malagasy, na dia mbola tsy mahasarika tanteraka ny tanora aza izany.