Fotoana hampandroana ny Andriana tao amin’ny Fanjakana Merina, ny Fandroana. Araka ny lovantsofina, nankalaza izany voalohany, ny Mpanjaka Ralambo, ny tsinambolan’ny Alahamady. Misy dingana fito mandritra ny lanonam-pankalazana. Voalohany, ny « mitendry ilo ». Hosoran’ny velondraiamandreny menaka ny tampon-dohan’ny Mpanjaka. Soritany ny volony mialoha ny hirarian’ny Andriana ny tenany ho masina. Faharoa, ny misaotra omby. Mitsangana manoloana ny vatomasina ny Mpanjaka. Mitodika miatsinanana izy sady mivavaka amin’ny Zanahary sy ny Razana. Tatazina ny rà an’omby ho lelafiny avy eo. Zaraina amin’ny mpanatrika ny hena, aorian’izay. Fahatelo, ny fidiovana an-dapa. Tatazina ny ràn’akoholahy mena. Hosoran’ny Mpanjaka amin’ny ràn’ilay akoho ny tampin-kandriny. Zaraina amin’izay tonga rehetra eo ny hena, rehefa vita izay. Fahaefatra, ny Fandroan’Andriana. Amin’ity dingana ity, hampandroan’ny velondraiamandreny, ao an-dapa, ny Mpanjaka. Fahadimy, ny fafirano. Fafazan’ny Mpanjaka rano masina ny vahoaka, sady hirariany soa. Fahaenina, ny sakafom-panatitra. Aroso hohanin’ny Andriana ny vary sosoa miaraka amin’ny kitoza sy varanga, avy amin’ny hena mialin-taona. Dingana farany, ny Kabary. Teny fisaorana sy firariantsoa, ary tokim-panompoana ataon’ny solotenan’ny mpanatrika sy ny Mpanjaka.