Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Anisan’ny fomba fanao tamin’ny taonjato fahavalo ambin’ny folo sy tamin’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo ny fanandroana. Raha ny fantatra, nahay nanandro avokoa ny iray ampahatelon’ny merina, nandritra io vanim-potoana io. Talenta avy amin’ny Zanahary na nolovaina avy tamin’ny ray aman-dreny izany. Noheverina ho nitondra ny fanandroana teto Madagasikara ny Arabo.
Fomba entina handinihina ny zavatra mitoetra eny amin’ny lanitra, mba hijerena ny vintana ny fanandroana. Dinihina ao anatin’izany koa ny andro ao amin’ny herinandro, sy ny fizaran’ny andro. Anisan’ny zava-dehibe ny fijerena ny fizaran’ny taona sy ny fandinihina ny lafintany.
Hahafahana mamantatra ny toetra sy ny hoavin’ny olona iray teraka na toetry ny zavatra iray tiana ho tanteraka sy hatsangana ny fanandroana. Toy ny fanamboarana trano na fasana, ny fisantarana na fitokanana zavatra iray. Miankina amin’ny volana nahaterahin’ilay olona na nananganana ilay zavatra no hijerena izany. Azo atao tsara ny manova ny vintana ratsy amin’ny alalan’ny fanarenam-bintana.

Christina Raharison

CAREME 2022 : Le jeûne des mauvaises habitudes