Fomba malagasy anisan’ny tsara ho fantatra ny fanambadiana zaza kambana, tsy mitovy fananahana. Ala fadin’ny mpianadahy kambana no tena fiantso azy. Foko maro teto Madagasikara no nampihatra izany fahiny. Araka ny finoan’ny Malagasy, iray aina tanteraka ny mpianadahy kambana, ka noheverina ho sarintsarim-pivady, ka tsara atao alam-pady mialohan’ny hanaovana hasoavana ny lahy kely. Araka ny fanazavan’ireo mpisehatra eo amin’ny tantara malagasy ihany koa, « zaza kambana mianadahy no atao mariazy mba ho ala fady noho ny fitovian’izy ireo kanefa mpianadahy. Mba ho fanasarahana azy mianadahy noho ny fifampikasohana nisy tao an-kibo sy ny tsy hisian’ny alahelo eo amin’izy roa rehefa mifanalavin-toerana ». Fahiny, misary toy ny fanambadiana kely mihitsy ny fomba, ka mamory ny havana aman-tsakaiza sy ny fiaraha-monina ny Ray aman-dRenin’ny zaza. Ampitafiana ankanjo tsara toy ireny amin’ny fanambadiana ireny ny zaza roa, ary hananganana trano kely vita amin’ny bozaka. Trano kely izay taratrin’ny kibo niarahana nifono, ka entina miditra ao izy ireo mba ho variana, ka ny mpanala fady no manomboka ny fandorana ny trano kely. miorakoraka ny Ray aman-dreny sy mpanotrona rehefa manomboka miakatra ny afo, miantso azy mianadahy hivoaka faingana. Ankehitriny, vitsy amin’ny Malagasy no manao io fomba io, araka ny nambaran’i Fleurette, mpampianatra Malagasy. Toy ny firenena rehetra, manana ny fomba mampiavaka azy ihany koa i Madagasikara, saingy manomboka very na adino tsikelikely anefa izany.