Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Tsy mitovy amin’ny foko hafa ny fiteny Antakarana. Dikan-teny azo takarina tsara anefa ny mandrafitra azy. Manan –karena voambolana ny Malagasy. Maro ny voambolana eny amin’ny faritra tsy maro mpahafantatra, maneho ny kolontsaina entiny. Miovaova araka ny foko izany. Amin’ny Foko Antakarana. Karazany amin’izany ny hoe « jaolaha » midika lehilahy matanjaka. Misy ihany koa ny atao hoe ‘miseky’, midika misasa. Avy amin’io teny io ilay hoe « fisehagna ». Rehefa manao fety ihany koa ny amin’io faritra io, tononona foana ny hoe « rombo » adika ihany koa hoe mitehaka. Tsiahivina fa salovana ny anaran’ny fitafy nentim-paharazana ny foko Antakarana.

Eo amin’ny fiteny andavanandro, fomba fiantso ny vehivavy amin’iny faritra iny ny hoe « drako ». Ny voambolana madinidika tahaka ny « empaka » : leo, « ndraiky » : sy, « fo » : ihany. « Mbalatsara » ny teny fiarahabana amin’izy ireo, mifono ny hevitra hoe « salama ». « Mbalatsaralatsara » ny teny entina hamaliana azy.

Tolotra.N

VALIHA : Un instrument conçu à Madagascar, en tant qu’art traditionnel