Vidin-tsolika eto Madagasikara : Tsy mifanaraka amin’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
Marin-toerana ny vidin-tsolika eto Madagasikara, tao anatin’ny 7 volana. Ny 12 jolay 2022 no nahitana fiakarana farany izany. 3400 ariary ny litatry ny gazoala, niakatra ho 4900 ary notazonina hatramin’izao izany vidiny izany. Araka ny antontan’isa navoakan’ny Brent, ny alarobia 15 febroary 2023, lasa teo, 78.39 dolara ny vidin’ny barila iray, mitotaly 159 litatra, eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. 4287,61 ariary kosa ny sandan’ny ariary.
Raha atao ny kajy tsotra, mitentina 336.105,74 ariary ny barila iray, izany hoe 2113,87 ariary ny litatra. Tsy araka izay anefa ny hamarotana azy eny amin’ireo tobin-tsolika eto an-toerana. «Lafo loatra ny vidin-tsolika eto amintsika, mila tsy ho voavidy intsony kanefa miankina amin’io ny fivelomana», hoy i Tojo, mpamily fiara fitateram-bahoaka.
Namoaka tatitra mikasika ny hetra alaina amin’ny solika ny Fond Monétaire Internationale. Araka ny fanavaozana farany, ny antontan’isa ny 18 janoary 2023, 288 ariary isaky ny litatra no alain’ny fanjakana amin’ny mpanjifa, natokana ho an’ny fanamboaran-dalana sy ho an’ny tontolo iainana. «Midangana ny vidim-piainana saingy tsy mahafapo ny fotodrafitr’asa misy», hoy hatrany ity mpamily ity.
Etsy andaniny, manambara ny Teti-bolam-panjakana 2022 nasiam-panitsiana fa 15% ny hetra alaina amin’ny solika. Niteraka fatiantoka hatramin’ny 34,7 miliara ariary anefa izany. Ny Teti-bolam-panjakana ho an’ny taona 2023 kosa milaza ny hamerenana ho 20% ny hetra alaina amin’ny solika. Miankina amin’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena anefa izany fiakarana izany. Vinavinaina hampiditra 48,54 miliara ariary ho an’ny fanjakana malagasy ny fampiharana izany, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy Fitantanam-bola. Antony iray mahalafo ny vidin-tsolika eto Madagasikara ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana ho famatsiana ny eto an-toerana. Manana tahirin-tsolika goavana anefa Madagasikara saingy tsy misy ny fahavononana hitrandraka izany harena anatiny izany.
Arilanto