Contact Information
SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
- 19 Sep 2024
- Samis Fréquence
- ESIC TV
- Itaro
- Esic Event
- Sah'Miova
Notanterahana teto Madagasikara ny lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena na
« rencontre sportive internationale ». Nataon’ireo ekipa voafantina, avy ao Mayotte sy ny Cospn ary ny GNBC. Nanomboka ny 7 febroary ka nifarana ny 15 febroary2023 izany.
Nampian-trano ny ekipam-pirenena avy ao Mayotte i Madagasikara. Nisy arak’izany ny lalao ara-pirahalahiana nataon’ny Cospn sy GNBC ary Nat Mayotte. Noraisin’ireo ekipa ho fanomanan-tena sy fihomanana amin’ny lalaon’ny Nosy ity lalao ity. Ho tanterahana eto Madagasikara, ny Alarobia 23 Aogositra hatramin’ny Alahady 3 Septambra ho avy izao izany. Lalao niisa 4 no notanterahan’izy ireo tamin’izany, niara nilalao tamin’izy ireo ny polisy sy zandary. Nanatanteraka ny lalao voalohany izy ireo, ny talata 7 febroary nifanandrina tamin’izany ny Nat Mayotte sy ny GNBC Mad. Nisaraka tamin’ny isa 42-40 ny GNBC sy Nat Mayotte. Ny alakamisy 09 Febroary lasa teo no nanaovana ny lalaon’ny Cospn Mad sy ny Nat Mayotte ka nahazo isa 69-61 izy ireo. Ny alatsinainy 13 febroary ny Nat Mayotte sy Cospn Mad nahazoan’izy ireo isa 73 noho 71. Nahazo isa 72 ny GNBC raha 62 kosa ny Nat Mayotte. Nifarana ny Alarobia 15 febroary ny lalao ka ny Cospn sy GNBC no nifaninana tamin’ny Mayotte ka nahazo isa 75 ary 73 ny an’ny Cospn sy GNBC. Mafy tamin’ireo Mayotte ihany ny nifanandrina tamin’ny GNBC. Kanefa, nivoaka mpandresy ny Mayotte. Marihina fa efa tamin’ny 02 febroary no nahatongavan’ny ekipam-pirenena Mayotte niatrika iny lalao iny. Tao aorian’ny lalao farany omaly dia nisaotra ny mpilalao rehetra ,ny mpanatrika sy ny mpijery rehetra ny federasionina amin’ny taranja basikety.
Mia Stephe