Contact Information
SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
- 19 Sep 2024
- Samis Fréquence
- ESIC TV
- Itaro
- Esic Event
- Sah'Miova
Nitohy ny fifaninana orange pro ligue izay ifanandrinan’ireo klioba eto an-toerana hiady ny ho tompon-dakan’i Madagasikara. Ny Sabotsy 11 febroary 2023 lasa teo.
Nihato nandritra ny fotoana vitsy ny fifaninana izany noho ireo mpilalao sasantsasany niatrika ny Chan 2023. Nitohy tamin’ny andro fahadimy ny fifaninana ny asabotsy lasa teo. Hita tao avokoa ireo ligy m nandray nanjara tamin’izany hatramin’ny andro voaloany, hoan’i vondrona avaratra ahitana an’i Fosa Junior, Uscafoot, Cosfa, Ajesaia, As Fanalamanga, Tia Kitra Fc, Asa Diana ary TFFC. Ahitana an’i Mama Fc, CFFA, Disciple Fc, Elgeco plus, Zanakala Fc, Jet Kintana, Dato Fc ary 3fb Toliara kosa ny vondrona atsimo.
Toy izao ny vokatra vonjimaika tao aorinan’ny andro fahadimy mitarika amin’ny isa 12 ny Fosa Junior eo amin’ny laharana voalohany. Izay tokony nifanandrina tamin’ny Asa Diana tamin’ny sabotsy lasa teo saingy nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka izany. Faharoa manaraka azy ny,Uscafoot manana isa 9 rehefa avy nandavo an’i Ajesaia tamin’ny isa 3-1 tao amin’ny kianja manara-penitra, Ambohidratrimo. Faha 3 Cosfa manana isa 8 manaraka azy ny Ajesaia izay eo amin’ny laharana faha 4 izay manana isa fito, vokatrin’ny faharesena manoloana an’i Uscafoot tamin’ny isa 3-1. Fahadimy As Fanalamanga manana isa 7 ary eo eo amin’ny laharana faenina ny tia kitra Fc, manana isa 3, isa 2 kosa hoan’i As Diana eo amin’ny laharana fahafito, ary isa 1 monja hoan’i TFFC izay farany ao amin’ny vondrona.
Niady tokoa ny fifanandrinana teo amin’ireo klioba ao amin’ny vondrona atsimo. Tsy mifanalavitra ny salan’isa eo amin’ireo mpifanandrina akotran’ny 3fb Toliara, tsy manana hafa tsy isa 1. Mitarika ny Mama Fc, manana isa 8 rehefa nandresy 3-1 ny Jet Kintana. Faharoa, ny CFFA manana isa 7. Laharana fahatelo ny Disciple Fc, manana isa 7 rehefa nanao ady sahala 2-2 tamin’ny Zanakala Fc. Mitovy ny isa 7 eo amin’ny laharana faharoa, fahatelo, fahaefatra, fahadimy ary fahaenina. Mitana ny laharana fahaefatra ny Elgeco plus, fahadimy ny Zanakala Fc, fahaenina ny Jet Kintana. Eo amin’ny laharana fahavalo,ny Dato Fc, manana isa 6, ary isa 1 hoan’i 3fb toliara farany ao amin’ny vondrona. Mbola hitohy amin’ny sabotsy 18 febroary 2023 sy ny alahady 19 febroary ho avy izao ny fifaninana amin’ny andro fahaenina ho an’ny vondrona avaratra sy Atsimo.
Lucas