Hanatanteraka lalao maneran-tany ny Ankoay
Hanatanteraka ny lalao maneran-tany amin’ny taranja basikety ny ekipam-pirenena Malagasy latsaky ny 19 taona. Tanterahana ny 24 Jona hatramin’ny 02 Jolay, any Debrecen, Hongrie izany.
Efa ao anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ny lalao maneran-tany ny Ankoay, ny ekipam-pirenena malagasy. Telo volana teo ho eo no efa nanomboka nanao ny fanazaran-tena izy ireo. Nisy fitsaharana kely izany, nandritra iny asaramanitra iny. Hiatrika ny lalao maneran-tany amin’ny taranja basikety mantsy ny Ankoay lehilahy sy vehivavy, eo ho eo amin’ny 19 taona eo izy ireo. Hatao any Debrecen, Hongrie, ny sabotsy 24 jona ka hatramin’ny alahady 02 jolay 2023 ny fifaninanana. Hifaninanan’olona telo, handalo fitsapana ny sokajy vehivavy, ho tanterahana any Israely ny sabotsy 06 sy alahady 07 may 2023 ao anatin’ny «World Cup Qualifier» izany. Raha toa ka tafiakatra izy ireo ; avy hatrany miatrika ny lalao eran-tany. Ny sokajy lehilahy kosa hiatrika ny lalao maneran-tany nohon’ny nahazoan’izy ireo ny tompondakan’i Afrika tamin’ny 2022. Nandalo dingana sy lalao maro izy ireo, ary tafiakatra tamin’ny dingana famaranana tamin’ny « Afrobasket U18» ny taona 2022. Nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo tamin’izany lalao izany .Vokany, azon’izy ireo ny fandresena. Tsapa fa miaro ny voninahitr’i Madagasikara ny Ankoay, Manantena ny handrombahan’izy ireo ny amboara ny rehetra.
Mia Stephe