Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Fandraisana anjara voalohany, tafita hatrany amin’ny dingana manasa-dalana ny Barea. Laharana fahatelo izy. Medaly voalohany azon’ny ekipam-pirenena malagasy io.

Ny zoma, 3 febroary lasa teo, lavon’i Madagasikara tamin’ny isa 1 noho 0 i Niger. Nivoaka ho mpandresy ny Barea tamin’ny lalao fiadiana ny laharana fahatelo, nandritra ny Chan andiany fahafito. Baolina tokana tafiditr’i Jean Yves no nanome ny fandresena ho an’ny malagasy.
Niady ny lalao, nifandanja ny fanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Vao nanomboka ny lalao, efa samy nanindry na i Niger na i Madagasikara. Minitra faha-15 nilalaovana, nisy fanafihana tsara avy amin’ireo « Mena » (Niger), avy any amin’ny ilany an-kavanan’ny kianja. Soa ihany fa mbola tao i Nina, mpiandry haraton’ny Barea, namoaka izany baolina izany. Tamin’ny minitra faha-18, nahita daka avy any ivelan’ny faritry ny mpiandry harato ny Barea, saingy tsy nisy nikasika izany. Saika nanokatra ny isa i Niger tamin’ny minitra faha-24. Mbola tao ny vodilaharana malagasy nanembatsembana izany fanafihana izany. Fito minitra taty aoriana, nanivatsiva avy any an-kavian’ny kianja ny mpanafikan’ny « Mena », fa tsy navelan’i Berajo ho lasa lavitra. Nifamaliana ny fifanafihana teo amin’ny roa tonta. Tao anatin’ny fanampim-potoana, nahita daka i Jean yves. Tsy zakan’i mpiandry tsato-by izany ka niverina teo amin’ny tongotr’i Tsiry. Lasa any ambony tsivalam-by indray anefa ny dakan’i Tsiry. Niverina avy amin’ny fialan-tsasatra, nahazo fanafihana tsara ny Barea. Tsara fipetraka ny vodilaharan’i Niger, niaro ny haratony tsy hikobana. Efa any amin’ny minitra farany vao nisy harato nikobana tamin’ity lalao ity. Tafiditr’i Madagasikara, tamin’ny alalan’i Jean Yves, ny baolina.
Tsy natao ho sakana nandrombahana ny laharana fahatelo, ny faharesena nanoloana an’i Sénégal, tamin’ny lalao manasa-dalana. Naneho ny tsara hatrany ny Barea nandritra ity lalao ity. « Faly satria nisy adidy nampanaovina dia nahavita. Azo lazaina nahavita satria tratra ny tanjona. Raha ny hivoaka ny vondrona ny tanjona tamin’ny voalohany, tonga tamin’ny lalao manasa-dalana isika, ary niafara amin’izao medaly alimo izao. » hoy i Romuald Ramanandraibe, mpanazatra ny Barea.
Nafana ny fitsenana ny ekipam-pirenena malagasy, ny alahady 5 febroary 2023, lasa teo. Afa-po tamin’ny lalao nasehon’ny Barea ny malagasy. feno olona ny lalana nanomboka tany amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, hatrany Mahamasina. Niady hiditra tao amin’ny kianja Barea ny olona. Nisy nihanika fefy mihitsy aza.
Hita taratra tamin’iny fiadiana ny tompon-dakan’ny Afrika iny ny fahaizan’ny malagasy baolina kitra. Ary hantenaina mba hitohy hatrany izany ezaka izany. « Misy zavatra azo hantenaina amin’ny baolina kitra malagasy » hoy hatrany i Romuald Ramanandraibe.

Miravo Tsiory

TENNIS : Participation de Madagascar au Championnat d’Afrique U18

CHAN 2023 : Le Sénégal remporte le trophée