Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Nitrangàna fanafihana mitam-piadiana teny By-Pass.

Notafihan’ny jiolahy mitondra fitaovam-piadiana ny tranon’ny mpandraharaha iray, Niana, teny Behitsy, kaomina Ambohimangakely,ny Alahady 29 janoary 2023 lasa teo. Jioahy miisa 6, nisaro-tava no niditra an-keriny tao an-tranony. Notifiriny tamin’izany izy sy ny mpiambina azy, very ihany koa ny vola mitentina 50 tapitrisa sy fitaovana toy ny solosaina.

Marihina, tompona orinasa iray lehibe « Champion society », eny By- Pass ity mpandraharaha ity. Nilaza ny fianakaviany, misy olona izay manao raharaha ara-barotra aminy no nahafatantatra ny fisian’ny vola be mihodina ao anaty ny orinasany. Tra-doza teny amin’ny « Rocade Iarivo » ihany ko izy, herinandro talohan’ny fanafihana niseho tao an-tranony, izay tsy fantatra mazava ny antony na efa teti-dratsy nomanina noho ny vola be very tamin’izany.

Na dia eo aza izany, malaza ratsy amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana ny eny amin’ny fokontany Behitsy, kaomina Ambohimangakely, raha ny nambaran’ny mponina eny an-toerana Manoloana izany, efa mandeha ny fanadihanana mahakasika ity tranga fanafihana ity. Ary ao anaty ny fikarohana ireo jiolahy ny eo anivon’ny mpitandro ny filaminana.

Fah Mou

ETS 40 TAONA

Tsy fahandriam-pahalemana