KOLEJY MASINA MISELY : Namangy ny sekoly ny mompera provinsialin’ny Zezoita

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
Nanatanteraka famangiana kanonika i mompera RATSIMBAZAFY Fulgence, lehiben’ny Fikambanan’i Jesoa eto Madagasikara. Nahazo tombo-tsoa ny sokajin’olona samihafa.
Lehibe provinsialy, olona voatendrin’ny lehibe Jenelary hitantana ny provinsy iray. Maharitra telo taona ny fotoam-piasany. Azo havaozina izany. Efa mamarana ny fahenina taona nitantanany ny provinsy Malagasy ny mompera Fulgence. Famangiana farany ataony eto Amparibe izao. Voatendry hisolo azy i mompera Jocelyn RABESON.
Fitsidihana kanonika, midika hoe fandalovan’ny lehibe amin’ireo toerana rehetra misy ny Fikambanan’i Jesoa. Tanterahina indray mandeha isan-taona izany. Nanomboka ny Alahady 29 Febroary ka hatramin’ny Alahady 05 Febroary ny eto Amparibe. Mihaona amin’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny ankohonam-piainana izy. Mijery ifotony ny asam-panirahana. Miresaka amin’ireo mpiara-miobonantoka. Samy nahazo hafatra ny sokajin’olona rehetra. Ao anatin’izany ny Tale sy ny mpianatra isam-pokontany, ny fivondronan’ny Ray aman-dReny. Natao hitondrana teny fankaherezana, famporisihana ny famangiana. Fampahatsiarovana ny tondrozotra napetraka. Ny Talata 31 Janoary nandritra ny lamesa no natokany hoan’ny U-Magis. Mompera Fulgence no nitarika, nohotronin’ny mompera Jacques RANDRIANARY, Talen’ny U-Magis Amparibe, sy mompera Rivo Lala ary mompera Andry Coudrier, samy mpianatry SAMIS.
Nankalazainy tamin’io fotoana io, ny Nanolorana ny Tompo, fetin’ny Jiro Masina. Izany hoe, fankalazana an’i Kristy Fahazavana mitondra famonjena, izay tanterahina isaky ny 02 Febroary. Andro natokan’ny Eglizy ho an’ny mpanokan-tena sy anavaozan’ny Relijiozy ny voady nataony tamin’Andriamanitra.
Novoasan’ny mompera provinsialy tao anaty teboka telo ny Tenin’Andriamanitra. Voalohany, niendrika fanontaniana. «Efa mba namonjy olona ve ianao?» Niantefa tamin’ny tsirairay ny fanontaniana. «Tsy misy olona mahavita tena», hoy izy. Noho izany, ilaina ny mifanampy. Mitondra famonjena ho an’ny hafa. Toa an’i Kristy. Ary mijoro, ho vavolombelon’ny Fahazavana(Kristy), eo amin’ny fiarahamonina. Faharoa, ny «NOFY». Alain-tahaka amin’izany i Martin Luther King, mametraka vina hoan’ny ho avy. Nanaitra ny sain’ny tanora izy mba hametraka tanjona sy hiezaka hanatratra izany. Fahatelo ny»FIHAONANA» amin’Andriamanitra. Fanajana ny fotoana ivavahana. Ahitana fifaliana sy fiadanam-po ary fahasambarana ao Aminy. Tanjon’ny sekoly ny hanome fiadanana ny tanora.» Mahatsiaro sambatra ve ianao fa olona mivavaka?» «Sambatra ve ianao fa olona mianatra?» Nentiny namaranana ny fampianarana ireo fanontaniana napetrany ireo.
Ny Alarobia 01 Febroary 2023, lamesa niarahany tamin’ny Fokotany Andoharano sy Anketsa. Ary ny zoma 03 Febroany ny an’ny Fokotany Vohitraivo. Hanohy ny famangiana any Tsiroanomandidy ny mompera provinsialy aorian’ny eto Amparibe.
R.N.F