ETS 40 TAONA

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
Mankalaza ny faha 40 taona nijoroany ny “Etablissement Technique Supérieur (ETS)”, amin’ity taona ity. Hita taratra amin’ny tetikasan’ireo mpianatra izany. Mizarazara ho vondrona maromaro izy ireo. Ahitana mpianatra manomboka amin’ny taona voalohany hatramin’ny taona fahadimy, ary samy mamolavola tetikasa tsirairay avy.
Manatanteraka tetikasa ny vondrona ao amin’ny « Etablissement Technique Supérieur (ETS) », araka ny takiana amin’ny mpianatra isaky ny atrikasa fampokarana. Ho an’ny vondrona voalohany, «machine à commande numérique » no tetikasa vinavinain’izy ireo amin’ity taona ity. « Somary sarotsarotra sy mandany fotoana ny eo amin’ny fianarana momba ny hetsika ary mila tana-maro mba ho vita ara-potoana», hoy i Antsoniriana Todisoa, lehiben’ny vondrona voalohany. Marihina fa 24 izy ireo no mandrafitra ny vondrona. Manantena izy ireo fa hahazo traikefa sy fahaizana ny mpianatra tsirairay amin’ny alalan’ity tetikasa ity.
Nanomboka atrikasa mialoha ny vondrona rehetra ireto vondrona voalohany ireto. Ny alatsinainy 23 hatramin’ny zoma 27 Janoary 2023, raha toa ka ny Alatsinainy 30 Janoary 2023 no tena fanombohan’izany. Efa vita eo amin’ny 26,73 % ny tetikasan’izy ireo amin’izao fotoana izao. « Mbola eo andalam-pandinihana ny tetikasany kosa ny vondrona fahadimy », araka ny nambaran’i Onimiantsa Rova Fitiavana, tompon’andraikitrin’ny seraseran’ny vondrona fahadimy. Miisa 25 izy ireo no mandrafitra ny vondrona. « Tsy mbola mavitrika loatra ireo mpianatra taona voalohany ao anatin’ny vondrona », hoy hatrany izy. Goavana ny tetikasa vinavinain’izy ireo, noho izany sarotra ny hanatanterahana izany. Hijanona ho an’ny sekoly ny tetikasan ‘izy ireo, ary hatao tsangam-baton’ny faha 40 taona nijoroan’ny ETS izany.
Manjaka Joanah