Contact Information
SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
- 19 Jul 2025
- Samis Fréquence
- ESIC TV
- Itaro
- Esic Event
- Sah'Miova
Miandry ny fampitan-draharaha ny antoko mpihira
Esic choir, antoko mpihira, ao amin’ny Sekoly Ambony U-magis, Amparibe, eo an-dalam-pikarakarana ny fandaharana asa ny mpikambana. Fanovana ny birao isan-taona ka ny fampitana andraikitra no ataon’izy ireo. Soloina avoka ireo mpiandraikitra rehetra teo aloha, ao amin’ny fikambanana. Raha ny vinan’izy ireo, hotanterahana ny zoma 3 febroary 2023, ao amin’ny kilasy 303, ny famindrana ny fahefana. Amin’ny alalan’ny fivoriana no hanatanterahana izany.
Araka ny nambaran’i Elie, mpikambana ao amin’ny Esic Choir: «natsangana ny birao vaovao hitantana amin’ity taona ity », tapa-bolana lasa izay. Antony nahatonga ny fahanginana teo amin’ny fikambanana izany. Teo ihany koa, ny fandehanan’ny mpitantana ny fikambanana any amin’ny laretirety, ka tsy nahafahan’izy ireo nanao hetsika. Raha tsiahivna, maro samihafa ny hetsika karakarain’izy ireo, toy ny fanaovana fampisehoana, ny famoahana hira, ny fivarotana mofo tamin’ny taona lasa.
Eo am-piandrasana ny fahatongavan’ny mpitantana izy ireo ka mangina amin’izao. Aorian’izay anefa, milaza ireo mpikambana fa efa milamina avokoa ny fandaharana asa rehetra ho amin’ny birao vaovao, hitondrana zava-baovao sy tsara indray ho an’ny mpankafy.
Mihary Lalaina Mariella