Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Niteraka fahatapahan-jiro ny fahamaizan’ny vata mpanova herinaratra

«May ny Talata maraina, faha 31 Janoary 2023, tokony ho tamin’ny 7 ora sy 20 minitra teo, ny vata-panova herinaratra iray, teny Anosisoa, Ambohimanarina. Vata mpanova herinaratra 2 mifameno no eo Anosisoa. Ilay mitondra ny tanjaka 160 KVA, izay efa tena feno be no tosika tamin’ny vata mpanova herinaratra 100 KVA, ka io no nipoka, raha araka ny fanazavana azo.»

Efa an-dalam-panarenana ny fahasimbana tamin’ny zavatra may ny teo anivon’ny Jirama, taorian’ny fifehezan’ny afo. « Hiverina tsy ho ela, hoy izy ireo, ny famatsiana herinaratra eny an-toerana ». Niara-nisalahy namono ny afo ny mpiasan’ny Jirama sy ny mpamonjy voina. Niteraka fahatapahan’ny herinaratra tamin’ny toerana maro samihafa, indrindra fa ny manodidina an’Anosisoa, Ambohimanarina, ny fahamaizan’io vata mpanova herinaratra io.

Tonga ara-potoana teny an-toerana ny mpamonjy voina sy ny ekipa tekinika eo anivon’ny Jirama avy eny Ambodimita. Araka izany, voafehy ny afo, efa nandeha ny asa fanarenana ataon’ny orinasa Jirama, fotoana vitsy taorian’ny fahatongavan’ny tekinisianina naka ny fitaovana tokony ilaina. Efa manolo ireo fitaovana simba sy may amin’ilay vata-panova herinaratra nirehitra ireo teknisianina ireo. Tonga teny an-toerana ihany koa ny ekipa tekinika avy eny Soanierana, nifanome tanana mba hamerenana haingana ny famatsiana herinaratra. Niteraka fimenomenomana teo amin’ny mponina ny fahatapahan-jiro mialohan’ny baolina nifanandrinan’ny Barea sy Senegaly. Naneho ny heviny ny olona teny amin’ny manodidina satria na nisy na tsy nisy ny fahamaizan’ny vata-panova herinaratra teny Anosisoa, efa lava reny hoy izy ireo ny delestazy.

Nitondra fialan- tsiny tamin’ny mpampiasa herinaratra ny solotena avy ao anivon’ny orinasa Jirama, Andriamanampisoa Heroique, izay « Chief of low voltage ». Miezaka izy ireo amin’ny fanarenana ny zavatra simba, ary nanome toky fa hiverina tsy ho ela ny famatsiana herinaratra. Mba hisorohana ny loza mety hitranga, nisy ny hafatra izay nampitaina ho an’ny olona, ny mba tsy hananganana trano sy hanariana fako na hametrahana fitaovana hafa, manodidina ny fitaovan’ny Jirama. « Misy lalàna mifehy izy ireny, hoy hatrany izy ». Nankasitraka ny Jirama sy ny mpamonjy voina i Randriamitsiry José, sefo distrikan’ Antananarivo fahenina, tamin’ny fahatongavana ara-potoana sy ny fomba fiasan’izy ireo.

Tahina Daniella

Tsy fahandriam-pahalemana

Andranasa 2023