Andranasa 2023

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
Ao amin’ny U-Magis Amparibe, vonona ny amin’ny andran’asa hahafany miditra eo amin’ny sehatry ny matianina ireo mpianatra taona fahatelo sy fahadimy. Hanomboka ny volana Martsa 2023 izany. Voatery manao ny tatitra sy manao fikarohana ireo mpianatra mandritra sy aorian’io andrana asa io.
Fotoana iray hahafahan’ireo mpianatra mampihatra ny fahaizany tany an-tsekoly sy hitrandrahany ny sehatra hikatrohany ny fotoanan’ny andran’asa. Ireo mpianatra taona fahatelo sy fahadimy no manatanteraka izany. Ho an’ny taona fahatelo, maharitra iray volana sy tapany ka hatramin’ny roa volana izany. Ho an’ny taona fahadimy kosa, maharitra enim-bolana eo ho eo ny faharetan’ny andrana asa.
Maro ireo mpianatra mahazo tombotsoa amin’izany isan-taona. Mandritra io fotoana io, manindrahindra ny fahaizany sy ny fahalalana noratoviny tany ampianarana ireo mpiofana mandritra. Tsy vitsy ireo mpiofana raisin’ireo orinasa nanaovany andran’asa hiasa ao aminy avy hatrany. Ho an’ireo mpianatra ao amin’ny Sekoly Ambony Momba ny Ita sy ny Serasera manokana, maro ireo voaray hiasa tao amin’ilay toerana nanaovany andrana asa. Ohatra, ireo lasa mpiasa raikitra.
Tombony lehibe ho an’ireo mpianatra ao amin’ny U-Magis Amparibe izany, noho ny, fisian’ny atrikasa famokarana. Ny fahazarany nanokatra sy nikaroka tany an-tsekoly, tsy manano sarotra ho an’izy ireo intsony ny miditra eo amin’ny sehatry ny matianina any aoriana. Hita taratra eny amin’ny fomba fiasan’izy ireo hatrany, ny hakingana sy ny fahamatorana, hoy ireo mpiandraikitra mandritra ny fanohanan-kevitra.
Tsiahivina, hanomboka ny enina Martsa 2023 ny andrana asa ho an’ireo voakasik’izany. Ny volana Aogositra 2023 kosa ny fanohanan-kevitra ho an’ny kilasy taona fahatelo. Ho an’ny kilasy taona fahadimy, ny volana Janoary taona 2024 no vinavinaina hanaovana izany.
RRMA