Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Nanokana fotoana manokana ho fanatanterahana ny asa sosialy, ny eto amin’ny Anjerimanontolo, Masina Misely, ao Amparibe. Mandray anjara amin’izany avokoa, na ny mpianatra serasera, na ny tekinika

Tanterahina isaky ny alarobia hariva ny asa sosialy. Samy manana ny fomba fanatanterahany azy ny deparitemanta sy ny vondrona tsirairay. Tanjona amin’izany ny hanasoavana ny mpiara-belona. Mifandray amin’ny baikon-tenin’ny sekoly hoe “Miorim-paka hanasoa olona”.

Mirotsaka ny ETS

Mizara ho vondrona fito ny ETS. Fa ny enina amin’izy ireo ihany no manatanteraka asa sosialy. Mitondra ny anjara birikiny izy ireo, amin’ny asa fanasoavana ny fiarahamonina. Ho an’ny vondrona voalohany manokana, hananteraka izany, ao amin’ny “Akany Avoko Faravohitra”, amin’iny herinandro ho avy iny.  Hanampy ny ankizy sahirana, sy hampianatra azy ireo. Efa vita ny fifampiresahana tamin’ny Tomponandraikitry ny Akany, araka ny nambaran’ny filohan’ny vondrona, Mariano sy Garrys. Miisa 27 izy ireo.  Handeha ifotony avokoa ny mpikambana rehetra, ao amin’ny vondrona voalohany, rehefa hanao asa sosialy.

Ho an’ny vondrona faharoa, fanindroany tamin’ity herinandro ity ny nanatanterahan’izy ireo asa sosialy, tao amin’ny LTP Alarobia. Mahakasika ny fanadiovana ny lahasa nataon’ny vondrona. Nanadio trano fianarana, ny herinandro lasa. Namafa ny trano fiasan’ny mpianatra tekinika, na “atelier” kosa ny Alarobia 16 febroary  lasa teo. Miankina amin’ny toerana omen’ny Tomponandraikitra ny trano fianarana diovin’izy ireo. 27 ny mpikambana ao amin’ny vondrona faharoa.

Ho an’ny vondrona fahefatra, hanao ny asa sosialiny, eny amin’ny “Golden School” 67 ha. Hampianatra ny ao amin’ny kilasy fahadimy mahakasika ny fampivoarana ny maha-olona, na ny “développement personnel”. Ataon’izy ireo amin’izany, ny fanomezana torolalana ny mpianatra hisafidy izay tiany hatao amin’ny ho aviny.  Ho kendrena amin’ity asa sosialy ity, ny hahalalan’ny ankizy handray an-tanana ny hoaviny dieny izao mbola kely izao. 24 isa ny mpianatra mandrafitra ny vondrona fahefatra. Efa vita ny fifampiresahana tamin’ny Tomponandraikitry ny sekoly. Hanomboka izany izy ireo amin’ny herinandro. 

Mandray anjara ny  Itaro sy ny Sah’Miova

Mandray anjara amin’ny asa fanasoavana ny fiarahamonina ny mpianatra serasera. Mivondrona isaky ny deparitemanta misy azy ny mpianatra. Ho an’ny “Itaro”, nanatanteraka asa sosialy, tany amin’ny “Trinitaire de Valence Bel’Air”, tamin’ny alarobia, lasa teo. Natao tamin’izany ny fanampiana ny zaza sahirana eo amin’ny fianarany. Teo ihany koa ny fanampiana azy ireo hanomana ny hoaviny, amin’ny alalan’ny fambolena. Nanome tànana ny fikambanana, tamin’ny fiavana katsaka ny mpivondrona tao amin’ny “Itaro”. Ho an’ny deparitemanta sosialy, nandeha ifotony teny amin’ny sekoly Jean XXIII Anatihazo Isotry, ny Alarobia 16 febroary lasa teo. Natao tamin’izany ny fanentanana ny mpianatra hihinana sakafo maroloko sy ara-pahasalamana. Nandray ny tao amin’ny kilasy fahasivy izy ireo.  Nizara roa ny mpikambana tao amin’ny “Sah’Miova”. Samy nandray anjara fitenenana ny tsirairay, tamin’ny fanentanana. Tsy nijanona teo amin’ny fanatanterahana ny tetikasany ihany ny Sah’Miova. Fa nanao asa fanadiovana latabatra, rindrina, tohatra ary ny trano fianarana katesizy. Zava-dehibe ho an’ny sekoly ny fanatanterahan’ny mpianatra asa sosialy. Samy miezaka manao ny anjarany ny tsirairay.

NITONDRA FAHAVOZANA NY RIVO-DOZA DUMAKO

Asa sosialy : Nanatontosa iraka ny mpianatra ao amin’ny Deparitemanta Taf’Ita