Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Fahagola, nonina tany amin’ny lava-bato ny Malagasy, talohan’ny fisian’ny trano. Nanomboka nanorina izany izy tamin’ny vanim-potoana fahampanjaka. Trano kotona no iantsoana azy na trano vita tamin’ny hazo, ho an’ny eto Antananarivo.  Natokana ho an’ny mpanjaka sy ny olona ambony ihany izy fahiny.

Tamin’ny taona 1800 vao nisy ny trano namboarina tamin’ny biriky tany sy fotaka, izay mbola hita mijoro hatramin’izao, indrindra any ambanivohitra. Tanjona, ny tsy hahalaitran’ny bala rehefa sendra ny ady. Rehefa tonga ny fanjanahantany, nanorina ny trano natao tamin’ny tanimanga ny Malagasy. Ohatra tamin’izany, ny rovan’i Manjakamiadana, lapan’Andafiavaratra, Katedraly ao Andohalo.

Ririnina sy lohataona ny fotoana fananganana trano gasy. Tafiditra ao amin’ny vakoka ny fisiany sy ny momba azy. Hanamafy orina sy hampidiram-pahasoavana ny trano, maro ny zavatra manan-kasina ampidirina ao aminy voalohany.  Amin’ny fotoana mahatafatsangana azy, miditra ao ny afo, rano, vary, vola, tantely sy ronono, kofehy sy fanjaitra.

Misy ny dinika lavitra ezaka hifanaovana hananganana trano fahiny. Jerena ny fitodiky ny tany sy ny toetrany. Raha mikorisa, mitsinjo tendrombohitra sy aloka, tsy azo hanamboarana trano honenana. Toerana marina, misy tara-masoandro, ary akaiky rano no mety aminy.

Manana rihana iray na roa ity vakoka ity. Saika efitra roa ambony sy ambany ny mandrafitra ny trano taloha. Tafoina bozaka fa tsy fanitso. Natao tapenaka ilay telo zoro, na ilay ao ambany tafo. Hahafahany manary rano mankany aloha sy aoriana.

Natao lakozia ny efitra atsimo, na ambony na ambany. Misy lalantsara ao anatiny miampy tohatra, mampisaraka ny efitra atsimo sy avaratra. Efitra fandraisam-bahiny sy fatoriana ny ao avaratra. Avy eo afovoany no misy ny varavarambe. Ao amin’ny fidirana amin’ny efitra atsimo ny fipetrahan’ny tohatra sy varavarambe raha tsy misy lalantsara. Mampiavaka ny trano gasy ny fisian’ny fanoto, manampy amin’ny hidin-trano ; ary ny laoa vato manakaiky ny varavarambe. Ahitana fisoko, fitoeran’ny akoho amam-borona ao anatiny, ary lava-bary.

Manana ny trano gasy mampiavaka azy ny any amin’ny faritra Atsinanana, antsoina hoe trano falafa. Namboarina tamin’ny satrana sy hazo madinika. Arahina fotaka ihany mba  ho mafy orina tsara. Miisa enina ny tongony na efatra. Tsy maintsy asiana tongony ho fiarovana amin’ny biby.

                                                                                                           Ranto Mamitiana

EXPOSITION : Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy présente « Fy Iraisakina »

MISS WORLD 2021 : Madagascar, parmi les 40 finalistes