Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Notanterahina ny 16 ka hatramin’ny 19 febroary 2022 lasa teo, tany Addis-Abeba, ny fifaninanana hiadiana ny tompon-dakan’ny slam poezia, aty Afrika. Firenena miisa 8 aty Afrika no nandray anjara tamin’ity dingana famaranana ny andiany faha-2 ity. Ka anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny avy any Togo, Algeria, Cameroun, Botswana, Tchad, Nosy Maorisy, Guinée Conakry ary Madagasikara.

Solontenan’ny Malagasy tamin’izany fifaninanana izany i Louis Aurélie FASA. Tsiahivina fa efa nandrombaka ny tompon-dakan’ny slam teto Madagasikara ihany koa izy tamin’ny taona 2020, ka izao nahazo ny laharana fahatelo, misalotra ny medaly alimo, izao indray aty Afrika. Raha ry zareo Gineanina no nibata ny laharana voalohany tamin’ny alalan’i Elhadji Oumar Baldé, ary Max J.Pierre Louis, teratany Marokanina, no teo amin’ny laharana faharoa. Tsy hijanona hatreo anefa ny dian’i Louis Fasa fa mbola hitohy hihazo an’i Saint-Etienne any Frantsa. Mamiratra maneran’izao tontolo izao, araka izany, i Madagasikara nohon’ny talenta ananan’ny tanora ao aminy.

Njiva

Ciné de l’IFM : Carte blanche où les spectateurs auront le choix du film à projeter

EXPOSITION : Le collectif Titanium présente « Eclats »