Contact Information
SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
- 15 Jul 2025
- Samis Fréquence
- ESIC TV
- Itaro
- Esic Event
- Sah'Miova
Niteraka fiovana teo amin’ny Deparitemanta SAMIS-fréquence ny fandaharam-potoana, tamin’ity atrik’asa famokarana ity.
Niakatra ho 30 ny isan’ny fandaharana vokarin’ny SAMIS-fréquence. Mandritra ny herinandro no hanatanterahana izany. Miisa 34 kosa anefa ny isan’ireo mpianatra miasa ao. Araka izany, 4 ny isan’ireo sampan-draharaha misy ao amin’ny deparitemanata « SAMIS-fréquence », toy ny sampan-draharaha fampahalalam-baovao, ny eo amin’ny famokarana, ny eo amin’ny fanamasahana ary ny eo amin’ny tekinika.
Samy manana ny andraikitra sahaniny avokoa ireo sampan-draharaha ireo ao anatin’ny onjam-peo. Ny eo amin’ny fahampalalam-baovao, misy ny fanatanterahana ny CONDRED, ny fanangonam-baovao ary ny fanoratana. Ho an’ny famokarana indray, miezaka manao ny fikarohana sy mitondra zava-baovao. Misy isan’andro ny famokarana. Ho an’ny fanamasahana kosa, miezaka miresaka ny momba ny seho ara-potoana sy mitady lohahevitra haroso. Ny eo amin’ny tekinika kosa no misahana ny fandaharana sy ny fikirakirana feo ary ny fanaovana ny kasingam-peo. Iray andro mialoha ny fanapariahana ny fandaharana no hanomezan’ireo mpiasa ao amin’ny onjam-peo ny « SAMIS-fréquence » ny lahatsoratra. Ny mpiandraikitra ny sampan-draharaha no mandray sy mitsara izany alohan’ny hanolorana azy ao amin’ny onjam-peo.
Tanjon’ny « SAMIS-fréquence » tamin’ity fiatrehana ny atrik’asa 2022 ity, hiezaka ny hanatsara ny vokatra mihoatra ny teo aloha. Ary fizarana ny fahalalàna ananana. Raha ny tanjona ho an’ny mpihaino kosa, fampitana fahalalàna, fanabeazana sy fitaizana ary fampianarana finoana. Kendrena ao anatin’izany ny mpianatra, ny manodidina ary ny mpanaraka.
Manomboka amin’ny 8 ora ny bakan’onjam-peo ao amin’ny « SAMIS-fréquence » ary amin’ny 9 ora kosa vao misy fandaharana. Mifarana amin’ny 3 ora sy sasany hariva izany. Ao amin’ny 105.8 no ahitana ny maridrefy ny « SAMIS-fréquence » ary mahatakatra hatrany amin’ny 5km miala ny eto Amparibe izy, hatrany Itaosy mbola afaka maheno izany. Misy ihany koa ny pejy fesiboky « SAMIS-fréquence 105.8» izay efa misokatra.
Nehemia Nomenjanahary