Contact Information
SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
- 15 Jul 2025
- Samis Fréquence
- ESIC TV
- Itaro
- Esic Event
- Sah'Miova
Distrika roa voalohany nidiran’ny rivo-doza Dumako teto Madagasikara, ny Nosy Sainte Marie sy Soanierana Ivongo. Niditra an-tanety tao Sainte Marie, tamin’ny 12 ora tolakandro ny 15 Febroary 2022, tao Soanierana Ivongo, tamin’ny 3 ora tolakandro izany. Mitondra rivotra 75km isan’ora, arahina tafiotra 100km/ora ny rivo-doza. Naharitra adin’ny efatra tao Soanierana Ivongo ny foiben’ny andro ratsy. Nikisaka niakandrefana somary Avaratra Andrefana ka mahafaka 15km/ora.
Nandalo tao amin’ny Distrikan’Ambato-Boeni izy, ny 16 Febroary, ary efa nihena ny heriny. Manodidina ny 35 km/ora ny rivotra miaraka aminy, tsy nisy tafiotra misongadina firy intsony. Nikisaka niakandrefana izy ka mahafaka 21 km/ora. Nihena ny rotsak’orana. Nivoaka an-dranomasina tany amin’ny lakan-dranon’i Mozambika, ny sisan-drahona nentiny, ny tolakandron’ ny 16 Febroary lasa teo.
Lasibatra tamin’ilay andro ratsy sy rivo-doza ny tany amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana. Naharitra ny ora-mikija sy ny fifofofofon’ny rivotra. Niakatra ny rano, nisy ireo trano vitsivitsy simba, tao Sonierana Ivongo. Tafiditra an-trano ny rano tao Toamasina, vokatry ny oram-be mikija. Dibodrano ny Kaominina Antsiatsiaka Antsapanana, rava ny tetezana mihazo ny renivohitry ny kaominina. Simba ny entam-barotra, maro ny trano heva sy trano lasan’ny rano. Betsaka ireo hazo nianjera vokatry ny rivotra. Mahatratra 5 095 ny traboina any an-toerana vokatr’izany.
Aina