Contact Information
SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
- 16 Jul 2025
- Samis Fréquence
- ESIC TV
- Itaro
- Esic Event
- Sah'Miova
Nanapa-kevitra ny hampiato ny fampianarana ny rekitoran’ny Kolejy Masina Misely, mompera Randrianaivo Jean de Dieu, S.J. Nihatra nanomboka ny fiandohan’ny volana Janoary io fepetra io. Taorian’ny filazana navoakan’ny « MESURPRES » fa ahemotra ny 17 Janoary ny fidirana. Niakatra 1726 ny tahan’ny olona voan’ny « Covid-19 » ny 08 Janoary ka hatramin’ny 14 Janoary 2022. Ho fiarovana ny ain’ny mpianatra no anton’ny fanapahan-kevitra sy ny filazana fanairana ny sekoly, hanemotra ny fidirana. Nihatra ny fepetra fanemorana ny fidirana ho amin’ny 17 Janoary ho an’ny Fokontany Vohitraivo, Anketsa ary Andoharano. Nitohy hatrany anefa ny fampianarana ho an’ny Fokontany Vohijoky.
Nanao filazana ihany koa anefa ny 04 Janoary 2022 ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena mahakasika ny fanemorana ny fidirana ho amin’ny 17 Janoary. Etsy ankilany, nitohy ny fampianarana ho an’ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana amin’ity taona 2022 ity. Miato araka izany ny fampianarana, ho an’ny kilasy tsotra. “Manodidina ny 4000 ny isan’ny mpianatra ao amin’ny Kolejy, sarotra ny hifehy sy hanara-maso azy ireo amin’ny olona hifaneraserany mandritra ny fotoana handehanany mianatra sy mandeha mody. Mety ho salama kanefa misy soritraretina izy ireo. Noho izany, azo antoka fa hifamindra sy hamindra any amin’ny Ray aman-dRenin’izy ireo”, fanambarana nataon’ny mpitan-tsoratry ny rekitoran’ny Kolejy Masina Misely.
Misy ny vina hamerenana indray ny fampianarana ho an’ny kilasy tsy hiatrika fanadinana, ao amin’ny Kolejy. Eo andalam-panomanana ny drafitra, hanohizana ny fampianarana ny ekipa rehetra, eo anivon’ny fitantanana. Ahiana ny fidinan’ny lentam-pahaizana ho an’ny mpianatra amin ‘izao fiatoan’ny fampianarana lavareny izao.