Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Hiroso amin’ny fampivondronana ho fanomanana ny mpikatroka amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ny mpanazatra, ny alahady 20 febroary 2022 ho avy izao. Misy ny fitsapana ara-batana ataon’ny mpikatroka, eny amin’ny kianja Alarobia. Natokana ho an’ny sokajy latsaky  ny 14 taona izany.

Hanantateraka izany fitsapana ara-batana izany, ny tompon-daka ny Afrika teo amin’ny Quatar 2020. Antsoina ihany koa ny tompon’amboaran’ny Madagasikara 2021, latsaky ny 14 taona, ary ny tompon-dakan’ny Madagasikara taom-pilalaovana 2021, sokajy cadet, junior, senior. Hanatrika ny fampivondronana koa ny tompon-daka lefitra amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Madagasikara. Antsoina ihany koa, ny olona izay manana traikefa mahakasika ny hay ady, tokony niatrika ny fifaninanam-pirenena tao anatin’ny taom-pilalaovana roa, taona 2020-2021.

Marihina fa hanampy ny federasionina amin’ny fanatanterahana ny fifaninana iraisam-pirenena, ny masoivohon’ny Japon, SEM Yoshihiro Higushi. Tsy mbola fantatra mazava kosa hatreto ny toerana hanaovana ny fifaninanana sy ny andro hanatanterahana izany.

Fah Mou

FIFA : Le nouveau classement est publié

Lalao « Echecs »: Fanandratana ny lalao « Echecs » eto Madagasikara