Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Namorona tongom-pakan-tsary ny vondrona voalohany ao amin’ny ETS. Nampitondrain’izy ireo ny anarana hoe « Grue pour caméras commandé par Joystick » izy io. Entiny hanampiana ireo mpianatra ao amin’ny SAMIS.

Tongom-pakan-tsary baikona amin’ny fibaiko lavitra ny « Grue pour caméras commandé par Joystick ». Mitondra ilay fakan-tsary ny asany. Baikona amin’ny fibaiko lavitra antsoina hoe « Joystick ». Tsy toy ireny fakan-tsary manidina ireny, fa mandeha amin’ny tany. Hialan’ny fahasahirana mibata ilay fakan-tsary sy mitondra azy mivezivezy ny tanjona. Mibaiko azy fotsiny no ataon’ny mpampiasa azy. Izy no manao ny hetsika rehetra. Hanampy ny mpianatra ao amin’ny SAMIS mikirakira fakan-tsary ny tanjon’ny vondrona voalohany ao amin’ny ETS. Izany hoe, hanamora ny asan’ny mpianatra rehefa haka sary na sarimihetsika.  Hoy ny lehiben’ny tarika, Mariano, hoe: « ianareo ao amin’ny SAMIS no kendrenay ho ampiana amin’ity fakan-tsary ity. Ianareo no tena mampiasa azy. Ka hanamaivana ny asanareo ity tetikasanay ity. » 

 Tamin’ny herinandro lasa teo, niroso tamin’ny fandinihana ny fomba hanatanterahana ny tetikasa ny iray tarika. Notontosain’izy ireo tamin’izany ny fandinihana mahakasika ny fandehan’ilay fakan-tsary, ny sariny, ireo fitaovana ilaina hanamboarana azy sy ny vinam-pandaniana. Tamin’ity herinandro ity, nanatanteraka ny antsoina hoe : « programation par arduino » ny tarika. Izany hoe, rafi-baiko fandrindram-pandaharana hamehezana ilay fakan-tsarimihetsika.

Raha ny resaka ara-pitaovana, mbola andalam-panangonana azy tsikelikely ny tarika. Tsy manampy amin’ny ara-bola hividianana fitaovana ilaina hanatanterahana ny tetikasa ny talen’ny sekoly. Izy ireo ihany no mitady fomba hahitana vola hanamboarana ilay fakan-tsary. Manao tsipaipaika ny paikady ampiasainy, hividianana tsikelikely ny fitaovana rehetra ilaina. Miandry an’ireo fitaovana ireo vonona daholo izy ireo izay vao miditra amin’ny fanamboarana ilay « Grue pour caméras commandé par Joystick ». Manana vinavina hamita ny tetikasa amin’ny herinandro alohan’ny « media show final » ny lehiben’ny tarika sy ireo tarihiny.

Zinnia

COVID – 19 : Les nouvelles concernant la pandémie à Analamanga

KOLEJY MASINA MISELY, AMPARIBE: Miato ny fampianarana ho an’ny kilasy tsy hiatrika fanadinam-panjakana