Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Ny 21 febroary no andro iraisam-pirenena nankalazana sy nanomezan-danja ny Tenindreny. Araka izany anarana izany, teny voalohany hianaran’ny zaza ny Tenindreny, teny henony sy azony voalohany. Teny mifamatotra ihany koa amin’ny firenena. Nisafidy ny firenena mikambana, tamin’ny alalan’ny UNESCO, ny hanokana andro iray ho an’ny Tenindreny, ny 21 febroary izany.  

Antony manokana hanomezan-danja ny Tenindreny ny fahatsapana fa tokony tandrovana sy koloina ny teny malagasy. Zava-dehibe ny fampiroborobohana ny fahasamihafan’ny fiteny, ary harena ho an’izao tontolo izao izany. Tsy diso anjara ao anatin’izany i Madagasikara, amin’ny maha harem-be ny fiteny malagasy, ary anisan’ny firenena vitsy manana ny fiteniny manokana. Tsy teny malagasy tokana ihany fa misy isam-paritra, tafiditra ao anatin’ny Tenindreny iainan’ny zaza rehefa mbola kely izy.

Nanambara, araka izany, ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Serasera, ny hanomezan-danja ary ny hampiroborobohana ny teny isam-paritra. « Tsy mora anefa ny fitazonana ny Tenindreny fa mitaky finiavana avy amin’ny tsirairay, amin’ny alalan’ny fampianarana any an-tsekoly, ary koa ny fiarahamonina »  raha ny nambaran’ny Minisitra Lalatiana ANDRIANTONGARIVO.

Ho an’ny fankalazana tamin’ity taona 2022 ity, nisy ny fanentanana isan-karazany momba izany, toa ny pejin’ny « Language and Culture Center Madagascar », ny pejin’ny fitaleavam-paritry ny kolontsaina sy ny serasera manerana ny Nosy. Nisy ihany koa ny fandaharana natao tao amin’ny onjam-peo ho an’ny faritra Bongolava manokana. Anisan’ny velan-kevitra tamin’io ny maha zava-dehibe ny tokony hampiasana ny teny malagasy madio rano eo anivon’ny fiarahamonina.

                                                                                         Tolotra.N

CHANGEMENT CLIMATIQUE: Madagascar est considéré en étant vulnérable sur ce phénomène mondial.

Le derby de la Madonnina, un rendez-vous à Milan