Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Vakisiny Janssen, vokarin’ny laboratoara Johnson & Johnson no hafaran’ny vondron’ny orinasa afakaba (GEFP) sy ny vondron’ny orinasa eto Madagasikara (GEM). Miisa 5 hetsy fatra ny vakisiny hafaran’izy ireo. Ireo orinasa mpikambana rehetra ao amin’ny GEFP sy ny GEM dia vonona ny handoa ny vidin’ny vakisiny, araka ny nambaran’ny Filohan’ny vondron’ny orinasa afakaba, Hery Lanto Rakotoarisoa.

Antony nirosoana tamin’ity dingana ity ny maha lohalaharana ny fahasalaman’ny mpikambana rehetra ao anatin’ny orinasa.  Ankehitriny, mpiasa manodidina ny 200 000 no ao anatin’ny vondrona, manerana ny faritany eto Madagasikara. Nandritra ny fisian’ny valanaretina coronavirus andihany faharoa dia ny 30% tamin’ny mpiasa ao amin’ny orinasa afakaba no efa tsy tonga niasa. Anton’izany ny fitondrana ny aretina.

Tsy terena ny mpiasa hanao ny vakisiny. Saingy mety tsy afaka mizevivezy any ivelany ny mpiasa raha tsy manatanteraka ny vakisiny. Noho ny fepetra takian’ny orinasa any ivelany, anisan’izay ny fahavitana vakisiny fanefitry ny coronavirus. Amin’ny maha zava-dehibe ny fahasalaman’ny mpiasa dia handray anjara amin’ny fividianana ny vakisiny Janssen ny ao anatin’ny orinasa afakaba. Ary ny mba tsy hampikatso ny orinasa.

Ny Antso

Aloe vera : Multiples bienfaits

ANDRY RAJOELINA : Fin du confinement et reprise des activités.