Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Samy nanana ny fomba nitaizana azy ny zaza tsirairay. Misy ireo efa sahisahy hatrizay, mitohy hatramin’ny fahalehibezany. Misy ireo saro-kenatra ary sarotra ny miala amin’izany. Sakana ho an’ny fivoarana amin’ny maha olona anefa izy io. Manimba ny fahatokisan-tena. Mampitsiry fomba fijery miiba amin’ny tena. Manahirana ny maro ny miteny imasom-bahoaka ka miteraka tahotra.Azo ialana tsara izany anefa.

Hialana aminy voalohany ny fahafantarana ny mpijery. Mialoha ny andro hitenenana, ilaina ny mahalala ny vondrona tilina, sokajin’olona toy ny ahoana, raha azo fantarina ny isa ilaina ihany koa. Ho fanomanana ny saina no antony. Eo ihany koa ny fanomanana ny lahateny. Izay voan-teny manan-danja no tsara raiketina an-tsoratra tsy ho adino. Na ny fehin-tsoratra rehetra mihitsy raha ilaina izany. Mazana rehefa mandray fitenenana na efa nisy fanomanana aza mety hisy ny tahotra. Manàna fotoana hamerenana ilay lahatsoratra. Tsy vakiana an-tsaina fotsiny fa atao amin’ny feo avo. Mora kokoa ny mamerina ny efa nomanina rehefa miteny.

Na miteny imason’olona aza dia tafiditra ao anatiny ny fomba fiakanjo. Ilaina ny manao akanjo mampahazo aina. Misy fitantohana bebe kokoa amin’izay. Tsy mieritreritra ny fitsaran’ny hafa ny vatana amin’izay. Tsy midika hanao akanjo mihaja sy vaovao akory fa izay mampiseho ny maha ianao no ilaina. Rehefa handray fitenenana, miezaha mamindra fijery rehefa mijery olona na ny rindrina farany arina no jereo raha anaty efitrano. Hialana ny fikirana ny fanamafisam-peo  mba tsy ho re anatiny ny feo tahotra. Raha azo atao aza mampiasa mihitsy, mitenena mafy ampiasao ny tanana. Fadio ny mitana zavatra satria hita amin’ny alalany hoe matahotra raha tonga izay. Miezaha mampiasa ny tanana rehefa miteny, ho hisy fahalalahana kokoa amin’izay. Apetrao ambony latabatra ny taratasy mba tsy hita mangovitra. Miezaha mitsiky foana amin’ny fotoana ilana izany. Manampy anao ho zatra ny vondrona resahana izany.

Ny tahotra dia fomba fisainana novolena tamin’ny alalan’ny zava-misy niainana. Ny zavatra rehetra dia mitaky fanomana sy famerenana izay vao lasa fahazarana. Ny ati-doha no ivony ka ilaina zarina ho ren’ny farahatoka.

Letichya H.

FAHASAROTAN-KENATRA: Manakana amin’ny fivelarana amin’ny zava-baovao

ÉCHEC : Une essentielle étape vers la réussite