Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Nandefa teny mita ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Minisiteran’ny Toekarena sy Fitantanam-bolam-panajakana fa ny vidin’ny lavanila eto Madagasikara dia 75000 ariary na 250 dolara ny iray kilao, mandritra ny taona 2021-2022. Izany dia nivoaka ny 14 mey 2021 lasa teo. Tamin’ny alalan’ny teny mita misy ny sonian’ny minisitra tomponandraikitra, ary miantefa amin’ny sampana minisitera sy ankolafy voakasika amin’izany. Namoaka fanambarana anefa izy ireo, ny talata 18 mey 2021 lasa teo, fa mbola tsy ofisialy iny teny mita iny, fa tahirin-kevitra natao hiasan’ny minisitera anatiny fotsiny ihany.

Tao anatin’ny fanambarana ny 18 mey, voalaza fa mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny goverinemanta ny vidin’ny lavanila, fa natao ho fanovozan-kevitra manditra ny fifampiresahana eo amin’ny minisitera roa tonta. Araka izany, tsy mbola tokony ho naparitaka aloha io teny mita milaza ny vidin’ny lavanila io.

 Alohan’ny hankatoavan’ny goverinemanta izany anefa, tsy maintsy mandalo any amin’ny Filan-kevitra Nationaly ny Lavanila (na Conseil National de la Vanille – CNV) ny vokatry ny andrana tekinika. Ary izy ireo no manome fehezan-kevitra amin’ny vidin’ny lavanila.

Mbola tsy fantatra, araka izany, ny vidin’ny lavanila eto Madagasikara manditra ny taona 2021 sy 2022. Hamoaka izany amin’ny mpandray anjara rehetra amin’ny fomba ofisialy ny filan-kevitry ny goverinemanta.

Rova Christelle

Efa manomboka ny fotoam-panjonoana eto Madagasikara

Ambatolampy : Nahazo fanampiana avy amin’ny minisitra