Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Nametraka lamina vaovao ny Fanjakana manoloana ny valanaretina Covid-19. Ny fihibohana isaky ny faran’ny herinandro. Namontana, mifanaretsaka ny olona miantsena. Tery ny toerana ivarotan’ny mpivarotra. Miakatra avokoa ny vidin’entana rehefa mifarana ny herinandro. Nametraka fandaminana ny tomponandraikitran’ny tsenan’ny tantsahy Namontana. Hakatona   amin’ny 05 ora hariva ny tsena isaky ny zoma ary ny alatsinainy vao mivoha. Tsy misy mahazo mivarotra ao intsony ny mpivarotra rehetra. Raha oharina ny tamin’ny herintaona, ny vavahady ihany no mikatona fa mifamezivezy miantsena ao hatrany ny rehetra. Misy ireo manara-maso ny mpitandro filaminana raha sendra misy mandalo.

Ankehitriny, amoron-dalana avokoa ny tantsaha sy mpivarotra isan-karazany no mivarotra. Misy ihany koa ny mpitandron’ny filamianana manara-maso. Na izany aza, tsy voahaja ny fepetra amin’ny fitangoronana sy ny elanelana 1 metatra. Ny maraina ihany koa ny akamaroan’ny rehetra vao miantsena raha efa nolazaina ny hiomana mialoha. Mijery ireo tsy manao aro vava fotsiny no ataon’ny mpitandro filaminana ny maraina. Ny atoandro indray manara-maso ny mpivarotra enta-madinika izay mbola tsy mikatona.

Mitovy amin’ny fiainana andavanandro ihany ny ataon’ny mponin’i Namontana ny maraina. Ny atoandro kosa no hentitra ny mpitandro filaminana amin’izany. Izy reo no atahoran’ny olona noho ny aretina. Vantany vao mahatily lavitra azy ireo ny olona vao mampiakatra ny aro vava.  

Letichya H.

VOLAMENA 73,5 kg : MIANKINA AMIN’NY FITSARANA AFRIKANA TATSIMO NY FAMOAHANA NA TSIA NY VOAROHIROHY

Aloe vera : Multiples bienfaits