FANORONA: Fitaizana ny ankizy ho an’ny Malagasy fahiny

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar
Fahiny, araka ny lovan-tsofina, nanana ny antony goavana teo amin’ny Malagasy ny Fanorona. Efa hatramin’ny faha vazimba no nisy izany. Izy ireo no nanome ny anarana hoe « fa ndrao maty paika » azo avy amin’ny Fanorona.Tsy fialam-boly fotsiny izy fa kolontsaina sy fitaovam-pianarana ny fiainana. Ampiasana tetika amin’ny famindrana vato izy, ary raiki-tapisaka ho lalaon-tsaina anisany nampalaza azy ireo. Na izany aza, misy ireo milaza fa i Andriamanelo nanjaka tao Isalo no nanome ny anarana hoe « soratr’Andrimanitra » azy io. Ny sasany manao hoe Andriatompokoindrindra lahy matoan’ny mpanjaka Ralambo no nanao azy voalohany teto Imerina, ho fanandroana sy fikarakarana ny raharaham-panjakana no nanaovana azy.
Toy ny kilalao rehetra ihany izy, misy fitsipika mifehy. Toy ny hoe mifandimby manisaka vato amin’ny toerana tsy mbola misy vato ny mpifanandrina tsirairay. Manaraka ireo tsipika voasoritra no hanisana ny vato. Misy ny mandresy sy resy araka izany. Amin’ny fotoana hanisana ny vato dia esorina ny vaton’ny mpifanandrina izay hatonina na hisitahana. Misy mihitsy ny ohabolana malagasy momba azy ity. « Aza manao fanoron’adala ka ady no hiafarana », « adim-panorina tra-marina, tsy kilalao fa tena ady », « Malaza ho be vary ka hanin-kotrana no atao kilalao, tsaramaso sy katsaka no atao vatom-panorona ».
Misy karazany 03 ny Fanorona. Ny fanoron-telo dia natao ho an’ny ankizy 08 taona hatramin’ny 12 taona ho fanairana ny hakingan-tsaina. Efajoro ny fafana ary 03 avy ny vaton’ny tsirairay. Ny fanoron-dimy natao ho an’ny ankizy 12 taona hatramin’ny 16 taona ho fanabeazana azy hanana fandaminam-piainana eo amin’ny fiarahamamonina. 12 no isan’ny vatom-panorona ilaina. Ny fanoron-tsivy, ho an’ny zatovo sy olon-dehibe. 12 ny vaton’ny tsirairay avy. Mitaky tetikady sy fandaminana izy ity. Na efa kely aza sisa ny vaton’ny iray dia mbola afaka ny ho mpandresy foana raha mahay mandamina.
Raha teo amin’ny Malagasy, nanana antony lehibe izy saingy ankehitriny miha vitsy ny manao azy nohon’ny fahatongavan’ny kilalao vahiny. Tsy mbola lefy laza izy na izany aza satria mbola misy foana no manao azy. Ao koa ireo firenena hafa no mampiasa azy.
Letichya H.